Alahady 14/07/2024

Miarahaba antsika rehetra !

I môpera Eugène no nitarika ny sorona masina ny 14 jolay 2024 teo, alahady faha-15 mandavantaona (B) ; niaraka taminy ihany koa i môpera Pascal sy Joslin izay sady nitendry ny zavamaneno. Anjaran’ny relijiozy ny nanentana ny sorona masina ka isaorana izay mbola tonga tao afaka nanentana na dia saika efa miparitaka ivelan’i Roma daholo aza ny pretra sy relijiozy amin’izao vanim-potoana izao. 
Ny manomana sy hanentana ny litorjia amin’ny 21 jolay 2024 izao indray dia ny M.D.M.K.

Maneho fisaorana tamin’ny fanotronana sy fiombonam-bavaka tamin’izy ireo ny “Trinitaires” tamin’iny fotoan-dehibe nanononan’izy 6 mirahalahy ny voady farany iny. Eto dia mampahatsiahy antsika indray fa ny fanamasinana ho diakra an’izy 5 mirahalahy (malagasy daholo) dia hatao amin’ny sabotsy 20 jolay 2024 izao amin’ny 10:30, ao amin’ny Parrocchia della Salute, Villa Mosca TERAMO.

Momba ny fandehanana any Teramo dia afaka mandray fiarabe eny Tiburtina ny marainan’io andro sabotsy io. Manodidina ny adiny 2 eo ny faharetan'ny dia Tiburtina-Teramo. Misy fiara miainga eo Tiburtina amin’ny 6:45 maraina ka raha mandray an’io dia malalaka tsara ny fahatongavana alohan’ny lamesa. Aza hadino koa anefa ny mijery sahady ny fiverenana. 

Ny alahady 28 jolay 2024 no alahady farany amin'ny volana jolay, izany hoe alahady hamaranantsika ny taona pastoraly 2023-2024, alohan'ny hanombohantsika ny vaovao 2024-2025 amin'ny 1 septambra 2024. Amin'io andro io dia handeha hivoaka isika ka any amin'ny Chiesa del Domine Quo Vadis (via Appia Antica 51, 00179 Roma) no hamonjentsika ny lamesa. Amin'ny teny italianina ny lamesa any an-toerana amin'ny 11 ora ; mamonjy ihany isika fa tsy manomana. Vita ny lamesa dia mikisaka kely mamonjy "Park" fitsangatsanganana isika. Tsy misy "courant" any amin'ny Park ka izay fitaovana mifanaraka amin'izany no entintsika (gitara, karatra, dômy...). Toy ny fanaontsika dia mivimbina zavatra hifampizarana toy ny hena, trondro, tsaramaso, voanjobory, nem.....Dia tongava maro fa famaranana ny taona io.

Mirary soa antsika rehetra,

P. Pascal sj