ALAHADY 22/03/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Mparany no nitarika ny sorona masina ny alahady 22 marsa teo ; niaraka tamin’ireo pretra maromaro tonga tao. Ny ELVIR kosa no nanentana ny litorjia, niaraka tamin’i P. Joslin sy Prezidà Silvestro teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Francel no nanao ny raharahan’ny mpiserivy

Ny “Fraternità” no hanentana ny litorjia amin’ny alahady 29 marsa izao (sampankazo). Ny ELVIR kosa no hitady fotoana hanadiovan’izy ireo ny fiangonantsika ho an’ny volana avrily 2026.

Amin’io alahady 29 marsa io, amin’ny 2 ora tolakandro, dia hanao ny vavaka iraisam-pinoana ho an’ny Tanindrazana isika. Ao am-piangonana San Macuto-Bellarmino ny toerana. Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy “rinfresco” hiarahana amin’ireo fiangonana rahavavy, ka samia mivatsy zavatra hiarahantsika hitsakotsako sy hiala hetaheta.

Hiombom-bavaka amin’i Vola Koto Avosaina isika amin’ny firosoany amin’ny dingana haha-katôlika azy amin’ny Sabotsy masina izao ao am-piangonantsika (mandritra ny Alina masina fiaretan-tory ankalazana ny fitsanganan’ny Tompo). Mitondra am-bavaka an’ireo zaza ihany koa, Zafilaza Elsie sy Amine Hamish, izay handray ny batemy, ao amin’ny San Macuto-Bellarmino, amin’ny alahadin’ny Paka izao (5/04/2026).

Mandritra ny Herinandro masina dia hanomboka amin’ny 6:30 hariva ny lamesa na fotoam-pivavahana. Averina eto ny fifandaminana :

Alakamisy masina :

Mpanentana : ZDA

Vakiteny I : Ekipa sôlida

Vakiteny II : Pretra sy Relijiozy

Ranombavaka : MDMK, ELVIR, Fraternità

Zoma masina :

Mpanentana : Ekipa sôlida

Vakiteny I : Pretra sy Relijiozy

Vakiteny II : MDMK

Ranombavaka : ELVIR, Fraternità, ZDA

Sabotsy masina :

Mpanentana : Pretra sy Relijiozy

Vakiteny I : MDMK

Vakiteny II : ELVIR

Vakiteny III : Fraternità

Vakiteny IV : ZDA

Ranombavaka : Ekipa sôlida, Pretra/Relijiozy, MDMK

Mirary soa ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.