ALAHADY 26/04/2026

Miarahaba antsika rehetra !

P. Germain no nitarika ny sorona masina ny alahady 26 avrily teo, niaraka tamin’ireo pretra maromaro tonga tao an-toerana. Ny MDMK kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Prez. Silvestro no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka.

Anjaran’ny ELVIR indray no manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 3 mey izao ; hitady fotoana handiovana ny fiangonantsika kosa ny “Fraternità” ho an’ny volana mey 2026.

Ampahatsiahivina antsika hatrany ireo fanasana voarain’ny “Ankohonana Rasoamanarivo Roma” hatramin’izao (izay efa hitantsika any amin’ny whatsApp n’ny Ankohonana any) :

Fankalazana ny “100 anni di presenza dei Trinitari in Madagascar” : Lamesa eny amin’ny Basilika Md Crisogono – Trastevere amin’ny alakamisy 4 jiona amin’ny 18:30. Hatao amin’ny teny malagasy ny hira mandritra ny litorjia. Nanasa ny Ankohonana izy ireo mba hanafana ny fanentanana sy ny hira mandritra io sorona masina io. Eo am-piomanana ny amin’izany isika.

Fankalazana ny faha-200 taonan’ny Fikambanan-dry maseran’ny Senakla (1826-2026) : Asaina isika hiara-hivavaka amin’ny sorona masina, izay hotarihin’i Kardinaly Luis Tagle, ny sabotsy 23 mey izao amin’ny 16:00. Ny toerana dia ao amin’ny Parrocchia San Pio X (Piazza della Balduina – 00136).

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

 

P. Pascal, sj.