Alahady 28/05/2023

 

Miarahaba antsika rehetra,

Namangy ny Ankohonana Rasoamanarivo, araka ny efa nampitaina tamintsika teto, i môpera Fulgence Ratsimbazafy, Provensian'ny zezoita Faritr'i Madagasikara, môpera Jocelyn Rabeson, Provensialy vaovao vao voatendry ka handray raharaha amin'ny 31 jolay 2023. Môpera Fulgence no nitarika ny lamesa, notronin'ireo pretra tonga niara-nisorona taminy. Tao ry môpera isany : Jocelyn, Joslin, Romuald (Meme), Daudet, Hasimanana, Faly, Pascal, nampian'ny Diakra Simon.

Nanentana ny litorjia tamin'io andro io ny ELVIR, izay niezaka nampiaina tamin'ny fomba niavaka ny fankalazantsika ny Pantekôty. P. Joslin no teo amin'ny zava-maneno ary i Seba no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. 

Isaorana ianareo ary tsy hadinontsika ihany koa ireo nandray anjara manokana tamin'ny alalan'ny fandravahana ny fiangonana sy ôtely, ny mpitaty rakitra...sns. Isaorana isika rehetra tonga niombona niara-nankalaza ny Alahadin'ny Pantekôty.

Anjaran'ny Saint Augustin indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 4 jiona 2023, izay hankalazantsika ny fetin'ny Trinite Masina. Eto dia efa miarahaba sahady ireo Fikambanana Trinitera.

Misaotra ny MDMK nisahana ny fandiovana ny fiangonantsika tamin'ity volana Mai ity. Anjaran'ny ELVIR indray ny mitady fotoana hanaovany an'izany amin'ny volana jiona hiditra ity.

Mr Antonio Dofa sy Ramatoa Carine Ingrid Jackise Rasoarivelo dia manasa antsika hiombona sy hitondra am-bavaka ny fisoratam-panambadian'izy ireo izay hatao amin'ny 24 jiona 2023 amin'ny 5 ora sy sasany hariva ao "Mucani"(Galleria Borghese), Piazza Garibaldi - Mentana, Roma. Alohan'izany anefa, izany hoe amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro, dia asain'izy ireo isika ho tonga hiara-hivavaka amin'ny fandraisan'i Nazra, zanak'izy ireo, ny sakramentan'ny batemy ao amin'ny Chiesa San Nicolà al Castello, Piazza San Nicolà, 11 - 00013 Mentana, Roma. Manasa olona 10 avy ato amin'ny Ankohonana Rasoamanarivo ho any amin'ny fiaraha-misakafo izy ireo amin'ny 7 ora sy sasany hariva amin'io andro io.

Ary farany dia kely sisa dia hiditra amin'ny volana jiona isika, fotoana ahatsiarovana amin'ny fomba miavaka ny Firenentsika. Amin'ity volana ity mantsy no hankalazana ny fetin'ny fahaleovantenam-pirenentsika. Mbola hohenontsika ny antsipirihan'ny fandaharana momba an'izany, izay hampitain'ny Ambassade-ntsika eto Roma. Na izany aza dia efa mitondra am-bavaka sahady an'i Madagasikara isika.

Mirary soa ho antsika rehetra

P. Pascal sj