ALAHADY 31/05/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza ny alahadin’ny Trinite Masina isika ny 31 mey lasa teo ka i P. Frabrice no nitarika ny sorona masina tamin’izany, niaraka tamin’ireo pretra maromaro tonga tao. I Alfredo no nisahana ny andraikitry ny mpiserivy. Ny “Fraternità” no nanomana sy nanentana ny litorjia, izay mbola nanao ny fandiovana ny fiangonantsika ho an’iny volana mey iny koa taorian’ny lamesa, ka isaorana azy ireo. Ry zareo telo mirahalahy kosa – Silvestro, Erneste ary Stanislas – no niara-nisalahy teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka.

Anjaran’ny MDMK ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 7 jiona izao, izay hankalazantsika “NY VATANA AMAN-DRA MASIN’I KRISTY” (taona A). Ny ZDA indray no hitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fanadiovana ny fiangonantsika ho an’ity volana jiona 2026 ity.

Fampahatsiahivana ireo daty sy fanasana efa voaray :   

Alakamisy 4 jiona :

Faha-100 taonan’ny nahatongavan’ireo misionera Trinitera voalohany tany Madagasikara. Amin’ny 18:30 ny lamesa ao amin’ny Basilika Md Crisogono (Trastevere). Ny hira amin’ny litorjia amin’io dia amin’ny teny malagasy. Nanasa antsika manokana ry zareo Trinitera amin’ny fanentanana ny litorjia sy ny fanamasahana ny hira. 

Alahady 7 jiona : 

Araka ny efa hitantsika ao amin’ny whatsApp Ankohonana dia manasa antsika hiombom-bavaka aminy i P. Abel (diosezin’Ambositra) amin’ny “Voeux perpétuels” izay hataony.

N.B.:

Aza hadino fa ny fankalazana “Alakamisy 4 jiona” voalaza io ambony io dia rahampitso hariva. 

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.