Miarahaba antsika rehetra !
Mgr Clément Herizo, evekan’i Maintirano, no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 22 febroary teo. Mgr Donatien, evekan’Ambanja, no nitondra ny fampianarana sy fifampizarana ny tenin’And/tra. Notronon’ny pretra maromaro izy ireo. Nanana vahiny hafa ihany koa isika tao amin’ny sorona masina : Mgr Robert Légal, arseveka “mpisotro ronono”n’ i Toulouse, diacre Daniel sy ireo namany hafa ao amin’ny “diaconie de la Beauté”. Ny ZDA no nanentana ny litorjia. P. Joslin, Mr Silvestro ary Mme Odile no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
Ny rakitra natao tamin’io alahady io dia natokana ho fanampiana an’ireo tra-boina any Madagasikara vokatry ny rivodoza Gezani. Hatolotra an-tanana an’ireo eveka vitsivitsy handalo eto Roma izany. Mbola azo atao ny mandefa fandraisana anjara any amin’ny mpitam-bolan’ny Ankohonana Rasoamanarivo alohan’ny alahady 1 mars ho avy izao.
Anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 1 marsa izao. Anjaran’ny MDMK kosa no mitady fotoana handiovan’izy ireo ny fiangonana san Macuto-Bellarmino ho an’ny volana marsa 2026.
Hanao ny “récollection” fiomanana amin’ny Paka 2026 isika amin’ny alahady 8 marsa izao. Eny amin’ny tranon’ny Fratelli san Gabriele, via Trionfale 12840 no hanaovana izany, ka i Môpera Mickael (Miarinarivo) no hitarika.
Entanina ihany koa isika amin’ny Fivahiniana masina marialy hataontsika amin’ny 18 avrily ho avy izao, izay karakarain’ny eo anivon’ny Diosezin’i Roma ; miainga amin’ny misasakalina avy eo Circo Massimo ka ho eny amin’ny “Santuario del Divino Amore”. Faranana amin’ny lamesa ny fotoana ny alahady (19 avrily) amin’ny 5 ora maraina.
Mirary soa ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.