ALAHADY 15/03/2026

Miarahaba antsika rehetra.

Ny alahady fahefatra amin’ny karemy (A) no nankalazaintsika ny 15 marsa lasa teo. P. Faly no nitarika ny lamesa tamin’izany, niaraka tamin’ireo pretra tonga tao. Ny M.D.M.K. kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 

Anjaran’ny ELVIR indray ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 22 marsa ho avy izao.

Hanamarika ny fetin’ny Mahery fon’ny Firenena isika amin’ny alahady 29 marsa izao, amin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka karakarain’ny FFKM Roma. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro izany fotoam-pivavahana izany ka ao amin’ny Chiesa San Macuto no hanaovana azy (Via del Seminario, 120, 00186 – Roma).

Aza hadino ny datin’ny fivahiniana masina karakarain’ny “Migrantes Roma” amin’ny 18 avrily izao : miainga amin’ny sasakalina ao amin’ny Circo Massimo, mizotra ho any amin’ny Santuario del Divino Amore. Lamesa eny an-toerana, hotarihin’ny “Cardinale Vicario”, amin’ny 5 ora marainan’ny alahady 19 avrily.

Ampiomanina dieny izao isika ny amin’ny fifandaminana ho an’ny Herinandro masina, izay samy hanomboka amin’ny 6:30 hariva daholo ny fotoam-pivavahana : 

Alakamisy masina :

Mpanentana : ZDA

Vakiteny I : Ekipa sôlida

Vakiteny II : Pretra sy Relijiozy

Ranombavaka : MDMK, ELVIR, Fraternità

Zoma masina :

Mpanentana : Ekipa sôlida

Vakiteny I : Pretra sy Relijiozy

Vakiteny II : MDMK

Ranombavaka : ELVIR, Fraternità, ZDA

Sabotsy masina :

Mpanentana : Pretra sy Relijiozy

Vakiteny I : MDMK

Vakiteny II : ELVIR

Vakiteny III : Fraternità

Vakiteny IV : ZDA

Ranombavaka : Ekipa sôlida, Pretra/Relijiozy, MDMK

            Amin’ny alahadin’ny Paka, 5 avrily, dia hiara-paly sy hiombom-bavaka amin’i Mr Adelin mivady sy Mr Julio mivady isika noho ny fahasoavana izay horaisin’ny zanak’izy ireo, izay hatao batemy amin’io andro io. 

P. Pascal, sj.