Miarahaba antsika rehetra !
P. Mparany no nitarika ny sorona masina ny alahady 22 marsa teo ; niaraka tamin’ireo pretra maromaro tonga tao. Ny ELVIR kosa no nanentana ny litorjia, niaraka tamin’i P. Joslin sy Prezidà Silvestro teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Francel no nanao ny raharahan’ny mpiserivy.
Ny “Fraternità” no hanentana ny litorjia amin’ny alahady 29 marsa izao (sampankazo). Ny ELVIR kosa no hitady fotoana hanadiovan’izy ireo ny fiangonantsika ho an’ny volana avrily 2026.
Amin’io alahady 29 marsa io, amin’ny 2 ora tolakandro, dia hanao ny vavaka iraisam-pinoana ho an’ny Tanindrazana isika. Ao am-piangonana San Macuto-Bellarmino ny toerana. Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy “rinfresco” hiarahana amin’ireo fiangonana rahavavy, ka samia mivatsy zavatra hiarahantsika hitsakotsako sy hiala hetaheta.
Hiombom-bavaka amin’i Vola Koto Avosaina isika amin’ny firosoany amin’ny dingana haha-katôlika azy amin’ny Sabotsy masina izao ao am-piangonantsika (mandritra ny Alina masina fiaretan-tory ankalazana ny fitsanganan’ny Tompo). Mitondra am-bavaka an’ireo zaza ihany koa, Zafilaza Elsie sy Amine Hamish, izay handray ny batemy, ao amin’ny San Macuto-Bellarmino, amin’ny alahadin’ny Paka izao (5/04/2026).
Mandritra ny Herinandro masina dia hanomboka amin’ny 6:30 hariva ny lamesa na fotoam-pivavahana. Averina eto ny fifandaminana :
Alakamisy masina :
Mpanentana : ZDA
Vakiteny I : Ekipa sôlida
Vakiteny II : Pretra sy Relijiozy
Ranombavaka : MDMK, ELVIR, Fraternità
Zoma masina :
Mpanentana : Ekipa sôlida
Vakiteny I : Pretra sy Relijiozy
Vakiteny II : MDMK
Ranombavaka : ELVIR, Fraternità, ZDA
Sabotsy masina :
Mpanentana : Pretra sy Relijiozy
Vakiteny I : MDMK
Vakiteny II : ELVIR
Vakiteny III : Fraternità
Vakiteny IV : ZDA
Ranombavaka : Ekipa sôlida, Pretra/Relijiozy, MDMK
Mirary soa ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj.