Miarahaba antsika rehetra !
Tamin'ny alahady 27 ôktôbra 2024 teo dia i P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. Eugène sy P. Joslin ; ity farany dia mbola teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno ihany koa. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Isaorana ihany koa izy ireo fa nandio ny fiangonantsika. Anjaran’ny Fraternità indray izany no mitady fotoana handiovana ny fiangonana amin’io volana novambra 2024 io.
Ny harivan’io alahady 27 ôktôbra 2024 io ihany dia nankalaza ny "Festa dei Popoli" tao amin’ny "Basilica dei Santi XII Apostoli" isika. Nanomboka tamin’ny 16:30 ny sorona masina tao. Misaotra tamin'ny fahatongavantsika niara-nivavaka tany an-toerana.
Ampahatsiahivina ihany ireto daty tsara ho fantatra ireto na dia mbola hofaritana aza ny toerana : hanao vokatra isika ny 17 novambra 2024 ; ny 8 desambra kosa no hanaovantsika ny “récollection” hiomanana amin’ny Noely 2024.
Amin’ny alahady 3 novambra 2024 izao, araka ny efa nampitaina tamintsika, dia i Mgr Donatien, evekan’Ambanja, no hitarika ny sorona masina ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino. Ny “zanaky ny diosezin’Ambanja” no manomana sy hanentana ny litorjia. Manasa antsika rehetra ho tonga hiaraka hivavaka.
Aorian’ny lamesa (27/10/2024), ho an’izay afaka kosa dia hisy famangiana sy fanaovana vavaka fohy manoloana ny fasana misy an’i P. Paul Louis Rafanomezantsoa sj. Hofaritana ao am piangonana ny ora hiaingantsika.
Amin’ny alahady 10 novambra dia anjaran’ny Fiombonan’ny pretra sy relijiozy ny manomana sy manentana ny litorjia.
Mirary soa antsika rehetra !
P. Pascal sj