Alahady 03/11/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Notarihin'i Mgr Donatien, Evekan'Ambanja, ny sorona masina tao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino ny alahady 3 nôvambra 2024 teo. Maromaro ireo pretra tonga nanotrona azy tamin'izany. Noraisin'ny "Zanaky ny diosezin'Ambanja" (ZDA) an-tanana kosa ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia. P. Joslin no teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana isika rehetra tamin'ny fahatongavana niara-nivavaka. 

Amin'ny alahady 10 nôvambra izao indray, alahady faha-32 mandavantaona (B), dia anjaran'ny Fiombonan'ny pretra sy relijiozy no manomana sy manentana ny litorjia. Anjaran'ny Fraternità indray ny mitady fotoana iray amin'ity volana nôvambra 2024 ity mba handiovan'izy ireo ny fiangonantsika.

Amin'io alahady 10 nôvambra io ihany koa, aorian'ny lamesa, dia hisy fivorian'ny Komitin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.

Hanao vokatra isika amin'ny alahady 17 nôvambra 2024 izao. Ny toerana dia ao amin'ny faritry ny Parrocchia Nostra Signora De La Salette, Piazza Madonna della Salette, 1, 00154, Roma (toerana efa fantatsika). Amin'ny sivy ora maraina no manomboka ny fandraisana ny entana hatao vokatra. Amin'ny 10 ora kosa no manomboka ny sorona masina, arahina fisantarana avy hatrany ny fanaovana ny vokatra. Avy eo dia hiroso amin'ny fiaraha-misakafo sy korana mandravaka ny fanohizana ny lavanty. Ho vitantsika amin'ny 5 ora hariva ny fandaharantsika ka amin'io ora io dia handamina ny toerana isika alohan'ny handaozana azy. Samia ary isika miomana amin'izany ho fandraisantsika anjara bebe kokoa amin'ny fampandehanana ny Ankohonantsika. 

Manasa antsika rehetra hiombom-bavaka sy hanotrona azy ireo i Belahy Jean sy Ravo Denise amin'ny fitsofan-drano ny fanambadian'izy ireo. Ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino no hanatontosana izany ny alahady 24 nôvambra 2024 mandritra ny sorona masina izay hanomboka amin'ny 10 ora maraina. Avy eo dia mbola manasa antsika koa izy ireo hiara-hikorana (araka ny fanasana izay hitantsika ao amin'ny WhatsApp Rasoamanarivo).

Mirary herinandro finaritra ho antsika rehetra.

P. Pascal sj