Miarahaba antsika rehetra indray !
Môpera Eugène no nitarika ny sorona masina androany alahady 29 desambra 2024, notronin'i P. Joslin. Ity farany ity ihany koa dia mbola teo amin'ny fitendrena zavamaneno, nampian'i Stanislas teo amin'ny fivelezana ny aponga. Francel sy Alfredo no niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy. Ny Fraternità no nanomana sy nanentana ny litorjia. Misaotra antsika rehetra tamin'ny fahatongavantsika niara-nivavaka.
Anjaran'ny "Ekipa sôlida" ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 5 janoary 2025 izao. Aorian'ny sorona masina dia hisy "chocolat chaud" hanamarihantsika ny alahady voalohany amin'ny taona 2025.
Ireto misy daty vitsivitsy tsara hotadidiantsika :
Alahady 12 janoary 2025 : P. Jaovelo no hitarika ny sorona masina ao amin'ny Ankohonana San Macuto-Bellarmino. Hifampizara hafaliana amintsika amin'ny alalan'ny sorona masina izy noho ny fankalazany ny jôbily faha-50 taona naha-pretra azy.
Alahady 19 janoary 2025 : Vavaka iraisam-pinoana hiarahana amin'ireo Fiangonana rahavavy. Ny toerana dia any amin'ny Via Appia Nuova 884, 00178 Roma na Via al quarto Miglio, 3, 00178 Roma. Hisy kalokalon'ny ankizy madinika ka samia mba mampiomana sy manomana ny zanany avy. Tsy hisy lamesa ao amin'ny Chiesa san Macuto-Bellarminio amin'io andro io fa tonga dia mihazo ny toerana hanaovana ny vavaka iraisam-pinoana hatrany isika ny tapany maraina ; amin'ny 10 ora maraina ny lamesa eny an-toerana.
Alahady 9 febroary 2025 : Fifampiarahabana tratry ny taona hataon'ny Ankohonana Rasoamanarivo Roma. Ny toerana dia any amin'ny Parrocchia S. Maurizio Martire, via del Poggio di Acilia, 110 - 00126. Toy ny fanaontsika dia samy mba mitsintsina laoka sy ny zavatra hafa fa ny vary efa hisy hikarakara any.
Mirary soa antsika rehetra !
P. Pascal, sj