Miarahaba antsika rehetra ary am-pifaliana mandrakariva no anatitraterana amintsika ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2025 !
Notarihin'i P. Nicolas ny lamesa tamin'ny alahady 5 janoary 2025 teo. Niaraka nanolotra ny sorona masina taminy i P. Patrice (karma) sy i P. Eugène. D. Rémi kosa no nisahana ny raharahan'ny diakra. Ny "Ekipa sôlida" no nanomana sy nanentana ny litorjia. I Hervé sy Silvestro no teo amin'ny fitendrena sy fidobohana zavamaneno. Taorian'ny sorona masina dia nisy ny "chocolat chaud" izay nanaovana "dombera" ho fanamarihana ny fihaonana voalohany tao Bellarmino amin'ity taona 2025 ity.
Amin'ny alahady 12 janoary 2025 izao dia anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" no manomana sy manentana ny litorjia. Amin'io andro io dia i Môpera Jaovelo (diosezin'Ambanja) no hitarika ny lamesa. Izany moa dia noho ny hafaliany hifampizara amintsika ny fankalazany ny jôbily faha-50 taona naha-pretra azy. Araka ny fanaontsika dia hanomboka amin'ny 9:45 ny sorona masina. Hitondra ny fanazavana ny tenin'And/tra ho antsika izy sady mety hizara amintsika ny "raki-tsarobidin'ny 50 taona naha-pretra" ao anatin'ny toriteny ihany koa. Hisy "chocolat chaud" hiarahana mifaly amin'i P. Jaovelo aorian'ny sorona masina. Araka ny fanaontsika dia mba mivimbina zavatra, izay afaka, hifampizarantsika amin'io "chocolat chaud" io.
Alahady 19 janoary 2025 : Vavaka iraisam-pinoana miaraka amin'ireo Fiangonana rahavavy. Eny amin'ny Via Appia Nuova 884 - 00178 (Roma) na via al quarto Miglio, 3 - 00178 ny toerana hanaovana izany. Manomboka amin'ny 14:30 ny fotoana ary mifarana amin'ny 17:30. Hisy korana ho an'ny ankizy amin'io ka samia mba manomakomana ny zanany avy. Ho antsika katolika dia hihazo avy hatrany eny an-toerana isika ny maraina ka hanao lamesa amin'ny 10 ora. Tsy misy lamesa ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin'io andro io.
Atitraterina hatrany ny fifampiarahabantsika tratry ny taona vaovao 2025 amin'ny alahady 9 febroary 2025. Eny amin'ny "Parrocchia S. Maurizio Martire, Via del Poggio di Acilia, 110 - 00126 no toerana hanaovantsika izany. Mbola holazaina amintsika eo ny antsipirihany fa efa afaka manomana sahady ny fifanolorana "cadeaux" isika dieny izao.
Mirary soa ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj