Miarahaba antsika rehetra indray !
Satria nifamotoana teny amin'ny Collegio Sloveno - via Appia Nuova 884, 00178 - niaraka tamin'ireo Fiangonana rahavavy isika ny alahady 19 janoary 2025 tolakandro teo, noho ny fiarahana arahim-bavaka iraisam-pinoana, dia nihazo avy hatrany tany an-toerana kosa ny Ankohonana ny maraina namonjy ny sorona masina. P. Eugène no nitarika izany. Ny M.D.M.K. kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Fr Sylvain no nitendry ny zavamaneno. Amin'ny alahady 26 janoary 2025, Alahady faha-3 mandavantaona D na Alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, dia anjaran'ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia.
Ny tapany hariva tamin'io andro io dia niroso tamin'ny korana sy vavaka niraisan'ny F.F.K.M. eto Roma. Nisy fampiaraham-peo nanehoana izany fiaraha-mitodika any amin'And/tra izany. Nanamasaka ny Noelin'ny ankizy ny fiaraha-mientan'ny "coro" roa tonta. Nisy ny fizarana vatomamy ho an'ireo ankizy. Nisy ihany koa ny fiarahana misakafo. Izany moa dia narahina kabary fohifohy fifampiarahabana sy fifanentanana. Misaotra antsika rehetra amin'ny ezaka ataontsika ho fanehoana ny fiombonana amin'ny samy kristiana.
Famerenana sy fampahatsiahivana :
Atitraterina hatrany ny fifampiarahabantsika tratry ny taona vaovao 2025 amin'ny alahady 9 febroary 2025. Eny amin'ny "Parrocchia S. Maurizio Martire, Via del Poggio di Acilia, 110 - 00126 no toerana hanaovantsika izany. Mbola holazaina amintsika eo ny antsipirihany fa efa afaka manomana sahady ny fifanolorana "cadeaux" isika dieny izao.
Iomanantsika dieny izao ihany koa ny fiatrehana ny "Giubileo degli Adolescenti" sy ny "giubileo dei Bambini". Ny "Ankohonana" avy amin'ny firenena samihafa ato anatin'ny diosezin'i Roma dia hankalaza io "Giubileo degli Adolescenti" io, miaraka amin'ny Papa François, ny 27 avrily 2025 eo amin'ny Kianja San Pietro. Toy ny avy amin'ny Ankohonana samihafa dia hisy solontenantsika koa handray ny sakramentan'ny Fankaherezana amin'io fotoana io. Toy izany koa dia mbola hankalaza ny "Giubileo dei Bambini" isika ny 1 jiona 2025, miaraka amin'ny Papa François ihany koa ary mbola eo amin 'ny Kianja San Pietro. Hisy solontenantsika hanao ny komonio voalohany amin'io andro io. Mbola hohenontsika miandalana eo ny antsipirihan'ny vaovao.
Mirary soa antsika rehetra,
P. Pascal, sj