Alahady 16/02/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Nitarika ny sorona masina tao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino i Mgr Donatien, evekan'Ambanja, tamin'ny alahady 16 febroary 2025 teo. Misaotra azy isika tsy manadino fa mitsidika ny Ankohonana Malagasy isaky ny mandalo eto Roma. Nisy koa ireo pretra tonga nanotrona azy tamin'izany : môpera José, Tojo, Fulgence, Faly, Eugène, Pascal. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Frera Sylvain sy Mr Silvestro no teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Misaotra antsika rehetra tamin'ny fandraisantsika andraikitra samihafa tamin'ny fanatanterahana ny sorona masina ; ary misaotra ny rehetra tamin'ny fahatongavana niara-nivavaka.

Anjaran'ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 23 febroary 2025. Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" kosa ny mitady fotoana handiovana ny fiangonantsika san Macuto-Bellarmino amin'ny volana marsa. Eto dia misaotra ny M.D.M.K. nanatanteraka ny fandiovana ho an'ny volana febroary tamin'ny alahady teo.

Ao anatin'ny taon-jôbily isika izao. Misy daty roa voarakitra manokana hiarahantsika mankalaza izany amin'ireo Ankohonana avy amin'ny firenena samihafa misy ato anatin'ny diosezin'i Roma. Ny toerana dia eo amin'ny Piazza san Pietro araka ny efa nampitaina tamintsika. Ny voalohany dia amin'ny 27 avrily 2025. "Giubileo degli adolescenti" miaraka amin'ny Papa amin'io, ka araka ny programa dia hisy sakramentan'ny Fankaherezana ho an'ny ankizy miisa 50 avy amin'ireo Ankohonana samihafa eto Roma. Ny faharoa kosa dia amin'ny 1 jiona 2025, "giubileo dei bambini". Amin'io fotoana io indray dia hisy komonio voalohany ho an'ny ankizy miisa 50 avy amin'ny Ankohonana samihafa eto Roma ihany koa. Araka ny nangatahana tamin'ny aumônier tsirairay moa dia tokony nandefa anaran'ny ankizy handray io sakramenta io izy ireo tamin'ny volana desambra 2024. Nataontsika izany : misy ankizy iray handray ny Fankaherezana sy ankizy roa handray ny Komonio voalohany ao anatin'ny lisitra avy amin'ny Ankohonantsika. Araka ny vaovao azo tao amin’ny “vicariato” (Laterano) dia mbola miandry ny Vatican hamoaka ny lisitry ny ankizy 50 handray ny sakramenta  isika, na ny Fankaherezana izany na ny Komonio voalohany.

Fampahatsiahivana : Misy fanasana antsika avy any amin'ny Mma Anna, izay efa nampitaina any amin'ny WhatsApp Rasoamanarivo : manasa antsika rehetra izy amin'ny fankalazany ny faha-50 taonany izay hatao ao amin'ny via Borgosesia, 315, Roma ny alahady 2 mars 2025 amin'ny 1 ora tolakandro.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj