ALAHADY 20/07/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Fulgence no nitarika ny sorona masina ny alahady 20 jolay 2025 teo ; niaraka taminy tao ry môpera Barnabé, José ary Pascal. Anjaran’ny M.D.M.K. kosa ny nanomana sy nanentana ny litorjia tamin’io fotoana io ; prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny fivoriana nataon’ny komity, nijerena zavatra maromaro miandry antsika ato ho ato, ka hampitaina amintsika amin’ny alahady 27 jolay amin’ny fotoanan’ny filazana ny momba izany.

Araka ny efa fantatsika dia hanao ny famaranana ny taona pastôraly 2024-2025 isika ny alahady 27 jolay izao. Any amin’ny Parrocchia San Pio V (Largo San Pio V, 3, 00165) no hanombohantsika ny fotoana izay hosantarina amin’ny sorona masina amin’ny 10:30 maraina. Ny ELVIR no manomana sy hanentana ny litorjia. Rehefa vita ny sorona masina dia mandeha tongotra kely miampita eo amin’ny Parco - villa Carpegna isika hiaraka hisakafo sy hanao ny korana isankarazany. Aza hadino ny mivimbina zavatra hifampizarana amin’ny sakafo. Mitondrà kilalao hialana voly ihany koa izay manana. 

Ho an’izay mety ho tara ka tonga dia hamonjy ny fitsangatsangana dia tsy lavitra ny fijanonan’ny bus “C.ne Cornelia Madonna del Riposo” na ny “Gregorio VII Villa Carpegna” ny vavahadin’ny Parco hitsangatsanganana.

Amin’ny alahady 7 septambra 2025 indray izany isika miverina ao amin’ny San Macuto-Bellarmino manomboka ny taona pastôraly vaovao 2025-2026.

Mirary soa ho antsika rehetra

P. Pascal, sj