ALAHADY 14/09/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Môpera Jean Chrysostome no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin-dry môpera Fulgence, Donatien ary Pascal. Ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja no nanomana sy nanentana ny litorjia ; ny ekipan’i Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny fialana hetaheta sy sakafo maivana nanamarihana manokana ny fandraisana ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja, izay mandray anjara ihany koa amin’ny fampandehanana ny Ankohonana Rasoamanarivo, toy ny litorjia izay natombok’izy ireo ny alahady teo. 

Tamin’io alahady io ihany koa no nanombohana ny fianarana ny dihy izay hatao amin’ny “Giubileo dei Migranti e Giubileo del Mondo Missionario” (4-5/10/2025). Mila toerana malalaka sy hahafahana mampiasa mozika tsara isika ka nifanarahana fa hotohizana any amin’ny “parco villa Carpegna” ny fianarana dihy amin’ny alahady 21 septambra 2025 izao. Aorian’ny lamesa ao San Macuto no handehanantsika ka amin’ny 1 ora tolakandro no tratrarina any amin’ny Villa Carpegna. Amin’ny 2 ora tolakandro kosa no manomboka ny dihy. Tsara raha mivimbina zavatra hatao sakafo atoandro any an-toerana.

Anjaran’ny M.D.M.K. ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny 21 septambra 2025, alahady faha-25 mandavantaona D.

Mirary soa ho antsika rehetra,

P. Pascal, sj