MANOKANA HO AN'NY JÔBILIN'NY MPIFINDRA MONINA (4-5/10/2025)

Miarahaba antsika rehetra !

Ity ary ny fandrindrana mandritra ireo roa andro natokana ho an'ny jôbilin'ny mpifindra monina sy ny tontolo misiônera.

SABOTSY 04/10/2025 :

10:00 : “Udienza” eo amin’ny Piazza San Pietro : 

Mbola be ny miasa ny sabotsy maraina nefa mety hisy koa ireo hanana fahafahana amin’izany, ka entanina ho tonga. Hisy olona (capogruppo) hitazona sainam-pirenena malagasy hiandry eo amin’ny “Ancora”(via della Conciliazione, 63) na eny akaikaiky eny manomboka amin’ny 7:30 ka hatramin’ny 8:30. Amin’ny 8:30 miara-milahatra miditra ny Piazza San Pietro. Afaka mifampitady amin’ny saina malagasy izay hiezahana haseho rehefa tonga ao anatin’ny Piazza ao (ho an’izay tara).

14:00 – 17:00 : Pèlerinage mandalo “Porta Santa” : 

Tonga dia hifamotoana eny amin’ny fanombohana pèlerinage isika ; ery amin’ny toerana vaovao, tsy lavitra ny Castel. Hisy hitazona saina malagasy ihany koa ka ny “saina” no tadiavina voalohany. Amin’ny 2 tolakandro manomboka fa isika manenjika eny amin’ny 1 ora noho  ny habetsahan’ny olona sy ny fanomanana filaharana.

ALAHADY 05/10/2025 :

10:30 : Lamesa eo amin’ny Piazza San Pietro : 

Misy hitazona “saina malagasy” eo amin’ny “Ancora” na eny akaikikaiky eny (ny “saina” hatrany no tadiavina voalohany) manomboka amin’ny 7:00 ka hatramin’ny 8:15. Milahatra miditra ny Piazza san Pietro isika amin’io 8:15 io. Ho an’izay tsy tafiaraka dia ny “saina malagasy” ao anaty Piazza no tadiavina dia manatona (raha afaka)

Aorian’ny lamesa : 

Ho an’ny sakafo atoandro dia samy efa  mba mivimbina laoka na zavatra hafa any amin’ny kitapony any, fa ny vary efa hisy hitondra. Rehefa vita ny lamesa, tonga dia manatona ny vavahady Borgo S. Spirito, 4 – 00193 fa ao amin’ny zaridaina “Residenza San Pietro Canisio” no hisakafo haingakaingana. Amin’ny 14:00 isika tonga eny amin’ny zaridainan’ny Castel Sant’Angelo, tonga dia miditra (somary enjikenjika ny fotoana eto nefa raha mirindra sy misosa kosa ny fifindrantsika toerana dia hilamina tsara isika hanatratra ny amin’ny 2 eny amin’ny zaridainan’ny fampisehoana).

14:30 – 19:00 : Fampisehoana eny amin’ny zaridainan’ny Castel Sant’Angelo : 

Ny anjaran’ny “Gruppo Beata Rasoamanarivo” amin’ny fampisehoana dia amin’ny 17:28.

N.B. : Hisy fitsidihan’ny solontenantsika ny toerana hanaovana fampisehoana amin’ny sabotsy 4/10 amin’ny 17:30 (palco, camerini, struttura del luogo).

Mirary soa ho antsika

P. Pascal, sj