Alahady 01/09/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Nanomboka ny taona pastoraly vaovao 2024-2025 isika  tamin’ny alahady 1 septambra teo rehefa avy nitsahatra kely nandritra ny volana aogositra. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. Etienne sy P. José. Ity farany moa dia vao tonga eto Roma handrato fianarana. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ; i Hervé no nitendry ny zavamaneno. Isaorana daholo isika rehetra niara-nandray anjara amin’ny fomba samihafa mialoha, nandritra ary taorian’ny sorona masina.

Nisy fialana hetaheta sy fifampizarana mofomamy taorian'ny sorona masina, nankalazana ny tsingeritaona nahaterahan’i Hanitra prezidan’ny Ankohonana. Ny zoma lasa teo no datin’ny tsingerintaonany saingy ny alahady isika vao tafavory ka nankalaza izany. Ho ela velona ny Prezidà !

Amin’ny alahady 8 septambra 2024 izao dia anjaran’ny Fiombonan’ny pretra sy relijiozy ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia. Mbola miparitaka any rehetra any anefa izy ireo ka tsy afaka mandray anjara raha tsy amin’ny volana ôktôbra 2024. Hisy hanomana ny litorjia ho an’io andro io ka hangatahina ny relijiozy izay ho tonga ao, na isika izay tonga, hanao ny fanentanana mandritra ny lamesa.

Amin’io alahady 8 septambra 2024 io ihany koa, eo am-panombohan’ny lamesa, no hanaovantsika ny famangiana an’i Mma Voahangy noho ny fahalasan’ny mamany. Mandritra ny sorona masina no hitondrantsika am-bavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahin-dRazafindraketaka Zoé Jacqueline.

Amin’ny alahady 8 septambra 2024, aorian’ny sorona masina, dia hisy ny fihaonana momba ny “jeri-todika momba ny fizotran’ny litorjiantsika”. Andrasana ny fahatongavan’ireo solontena roa isaky ny vondrona na fikambanana. Ny toerana dia ao amin’ny Residenza San Pietro Canisio, via dei Penitenzieri, 20, 00193, Roma ( avy lamesa mandray bus 40, na 62, 64, 916, 46…).

Hisy fivorian'ny Biraon'ny Ankohonana amin'ny alahady 15 septambra 2024 izao, hijerena indrindra ny fetin'ny Ankohonana izay hatao amin'ny 29 septambra 2024 (ny toerana mbola holazaina aoriana) sy izay mety ho fotoana hanaovantsika ny vokatra. Hampitaina amintsika amin'ny alahady izao ny mombamomba izany.

Izay ary aloha ny vaovaontsika maika ampitaina

P. Pascal sj