Miarahaba antsika rehetra !
Môpera Jocelyn Rabeson, provensialin’ny zezoita – Madagasikara, no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 02 novambra 2025 teo, notronin’ireo pretra maromaro tonga tao. Ny « Ekipa sôlida » kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Mrs Hervé sy Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny famangiana ny fasan’i P. Paul Louis tany amin’ny Cimetero del Verano ho an’izay afaka nanao izany.
Anjaran’ny “Fiombonan’ny Pretra sy Relijiozy” ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 9 novambra 2025 izao, hankalazantsika ny nitokanana ny Basilika ao Laterano.
Ny alahady 16 novembra 2025 dia hanao vokatra isika, araka ny efa nampitaina tamintsika ombieny ombieny. Ny toerana hanaovana azy dia any amin’ny “Parrocchia San Gabriele Arcangelo Vocazionisti”, Viale Cortina D’Ampezzo, 144, 00135 Roma (fariparitr’i Monte mario, tsy lavitry ny ambasady malagasy !). Hampitaina amintsika aoriana kely ny antsipirihan’io tontolo andro io.
Mirary soa ho antsika rehetra.
P. Pascal, sj.