Alahady 06/10/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Nitarika ny sorona masina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024 teo i môpera Pascal, niaraka tamin'i môpera Eugène. Ny fikambanana "Ekipa sôlida" no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin'io andro io. Mr Silvestro kosa no teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Tamin'io sorona masina io no nanaovana veloma an'i masera Espérence (Orioniste), izay mpikambana tao amin'ny vondron'ny ELVIR ihany koa, fa handeha hiasa any Madagasikara indray izy. Misaotra antsika rehetra tamin'ny fandraisana anjara isan-karazany tamin'iny fiarahantsika nivavaka iny.

Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" no manomana sy manentana ny litorjia ami'ny 13 ôktôbra 2024 izao ; i môpera Aimé (diosezin'i Miarinarivo) no hitarika ny sorona masina.

Amin'io alahady 13 ôktôbra 2024 io ihany koa dia hisy lamesa  ho an'ny "Alahadin'ny mission" any amin'ny Collegio del Verbo Divino izay anasan'ireo pretran'ny SDV antsika. Ny toerana dia ao amin'ny Via dei Verbiti, 1, 00154 Roma (zona Ostiense). Amin'ny 11:00 ny lamesa. Aorian'izany dia hisy fiaraha-misakafo ka samy manomana ny sakafo mampiavaka ny fireneny avy. Araka ny nifanarahana tamin'ny alahady teo dia nifandamina fa hisy ekipa hamonjy ny sorona masina any an-toerana (sady hanomana sakafo ihany koa). Rehefa mirava kosa ny lamesa ao amin'i San Macuto-Bellarmino amin'io alahady io dia afaka mamonjy ny fihaonana ihany koa isika rehetra izay afaka ka mivatsy sakafo.

Anjaran'ny ELVIR no mitady fotoana hanadiovan'izy ireo ny fiangonantsika amin'ity volana ôktôbra 2024 ity.

Samy miomana dieny izao ihany koa  fa hanao vokatra isika amin'ny alahady 17 novambra 2024. Mbola hohitantsika manaraka eo ihany ny momba izany.

Fampahatsiahivana : Hisy sorona masina karakarain'ny "Zanaky ny diosezin'Ambanja" amin'ny alahady 20 ôktôbra 2024. Ao amin'ny Parrocchia Nostra Signora De La Salette, piazza Madonna della Salette, 1, 00152, no hanaovana izany ary i Mgr Donatien, evekan'Ambanja, no hitarika ny sorona masina. Tsy misy sorona masina noho izany any amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino  amin'io daty io fa miaraka any  amin'ny Parrocchia Nostra Signora De La Salette daholo isika.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj