ALAHADY 09/11/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Mandalo eto Roma i Mgr Fidélis, evekan’ny diosezin’Ambositra, ka izy no nitarika ny sorona masina tao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino ny alahady 9 novambra 2025 teo. Niaraka taminy ireo pretra vitsivitsy toa an-dry môpera Fulgence, Abel, José, Toky, Joslin, Eugène ary Pascal. Ny “Fiombonan’ny Pretra sy Relijiozy” kosa nanomana sy nanentana ny litorjia. Mr Silvestro sy P. Joslin no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.

SPÉCIAL VOKATRY NY ANKOHONANA RASOAMANARIVO

Arakany efa fantatsika, sady efa nampitaina any amin’ny fb Ankohonana any, dia hanao vokatra isika amin’ny alahady izao, 16 novambra 2025. Hamafisina fa afaka mitondra solom-bokatra koa ianao raha te handray anjara nefa tsy afaka nanomana vokatra.  Toy izao ny tsara ho fantatra momba io alahadin’ny vokatra io :

Litorjia : M.D.M.K.

Toerana : Parrocchia San Gabriele Arcangelo – Vocazionisti, Viale Cortina d’Ampezzo, 144, 00135, Roma.

Fomba hahatongavana any : Mandray Bus 446 miainga eo Cornelia (Capolinea), “direction” Mancini ; midina amin’ny fermata “Cortina d’Ampezzo/Primiero ; manapaka arabe avy hatrany rehefa tafidina ary miverina kely amin’ny lalan’ny bus teo mandra-pahita ny vavahadin’ny Fiangonana. Raha mandeha “treno” ianao dia midina eo Gemelli ka azo sakanana eo ny bus 446 (per Mancini). Azo raisina any Mancini koa ny bus 446, “direction Cornelia”: miala “Cortina d’Ampezzo/Primiero” ihany, vao midina tonga dia mandroso kely dia mahita ny vavahadin’ny Fiangonana. Tongava soa !

Fanomanana mialoha : Manasa izay afaka hifanampy hanomana ny trano any an-toerana ny sabotsy tolakandro manomboka amin’ny 4 ora.

 Fandaharam-potoana : 

 9:30 : Fahatongavana any an-toerana

10:00 : Fandraisana vokatra 

Lamesa aorian’ny fandraisana ny vokatra

Mitohy amin’ny sakafo, fanaovana vokatra, fety…

17:00 : Mandamina ny toerana nampiasaina

17:30 : Mandao ny toerana

Sakafo : Manomana vary sy izay zavatra azony omanina ny Ankohonana, isika kosa mitondra laoka, zava-pisotro, na zavatra hafa mety ho kiventimbentiny na kiranondranony.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj.