Alahady 16/04/2023

Faly miarahaba antsika rehetra indray amin'ny alalan'ity vaovaom-piangonana ity ary mankasitraka an'ireo pretra rahalahy nandray an-tanana ny asan'ny pretra teo anivon'ny Ankohonana Rasoamanarivo nandritra ny dian'ny aumônier tany Madagasikara. 

Misaotra an'i Môpera Faly isika nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. Pascal sy Diakra vaovao Simon izay nisantatra ny asa fanompoana tao San Macuto. Nisaotra an'Andriamanitra noho ny fahasoavana noraisin'i Diakra Simon isika ary nisaotra ny rehetra koa izy tamin'ny fanotronana azy tamin'iny andro iny. Isaorana ihany koa ny M.D.M.K. nanentana ny litorjia, ny mpikarakara isan-karazany toy ny mpiservy (Seba), mpitaty rakitra, mpikarakara ôtely...sns. Misaotra antsika rehetra niaraka niombom-bavaka ary tsy hadinontsika koa ny miombom-bavaka amin'ireo izay naniry hiaraka amintsika nefa tsy afaka noho ny antony samihafa.

Amin'ny 23 avrily 2023 izao dia anjaran'ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia. Hisy "chocolat chaud" aorian'ny lamesa amin'io andro io.

Tsy hay ny tsy hisaotra antsika tamin'ny fahatongavana sy fifanomezan-tanana tamin'ny fitsangatsanganana notanterahintsika tany amin'ny Via Osteria di Dragoncello ny alatsinan'ny Paka teo, 10 avrily 2023. 

Ao anatin'ny fiomanana amin'ny fivahinianana masina hatao any Lourdes isika izao : iangaviana isika rehetra mba hijanona aorian'ny lamesa amin'ny alahady 23 avrily izao mba hampitana vaovao momba an'izany.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra

 

P. Pascal sj