ALAHADY 18/05/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Tsy nisy sorona masina tao amin'ny fiangonana mahazatra antsika, San Macuto-Bellarmino, ny alahady 18 mai 2025 teo. Niaraka tamin'ny sorona masina notarihin'ny Papa Léon XIV teny amin'ny Piazza San Pietro isika. Ny tolakandro indray, nanomboka tamin'ny 5 ora, dia nisy ny rôsery ho an'ny fandriam-pahalemana izay niarahana nanao tamin'ireo Ankohonana avy amin'ny firenena maro eto amin'ny diosezin'i Roma. Misaotra antsika tonga niara-nivavaka tany na dia fotoana sarotsarotra aza izany noho ny maha alahady hariva azy.

Amin'ny alahady 25 mai 2025 indray ny fotoanantsika ao amin'ny Chiesa San Macuto- Bellarmino. Toy ny mahazatra dia manomboka amin'ny 9:45 ny sorona masina. Ny ELVIR no manomana sy hanentana ny litorjia. Ny "Ekipa sôlida" no hitady fotoana handiovan'izy ireo ny fiangonantsika San Macuto-Bellarmino ho an'ny volana jiona 2025.

Fanamafisana : Ampahafantarina antsika dieny izao fa hisy fihaonana amin’ireo evekantsika avy any Madagasikara amin’ny alahady 15 jiona 2025 izao. Andrasana handalo aty Roma daholo ireo eveka. Ny toerana hiarahantsika amin’izy ireo dia any amin’ny Collegio San Paolo (via di Torre Rossa, 40 – 00165). Lamesa, fiaraha-misakafo, korana no ho endriky ny fihaonantsika. Amin’ny 9:00 ny fahatongavanna any ary amin’ny 17:30 ny fodiantsika. Hosantarintsika amin’ny sorona masina izay hanomboka amin’ny 10:30 maraina ny fotoana. Ny litorjia amin'io andro io dia hiandraiketan'ny M.D.M.K., ka afaka miantso olona hanatevin-daharana azy amin'ny hira izy ireo. Momba ny sakafo hiarahana : ankoatr'ireo zavatra efa homanin'ny Ankohonana Rasoamanarivo dia asaina koa ny tsirairay hivimbina izay azo ifampizarana.

Fampahatsiahivana ny Vaovao tamin'ny alahady 09/03/2025 : "Nivory tany amin’ny diosezy (Laterano) ireo aumôniers ny zoma 7 marsa 2025. Nangataka ny fandraisana anjaran’ny “aumôneries” rehetra amin’ny “Giubileo dei Migranti” ny “Dicastero per lo Sviluppo Umano Integrale”. Ny jôbily dia hatao ny 4-5 oktobra 2025. Ao Vatican sy ny manodidina no hanaovana ny fandaharan’ny jôbily. Mbola ho azontsika ny antsipirihan’ny fandaharana fa omeko amin’ny ankabobeny ny fandaharana ny alahady 5 oktobra 2025 : Lamesa ao amin’ny vatican ny maraina, mitohy amin’ny sakafo (samy mitondra zavatra hohanina) ; ny tapany hariva fampisehoana an-kalamanjana ao amin’ny Piazza del Risorgimento. Eto indrindra no mila manomana Gropy ny Ankohonana rehetra na dia mbola lavitra aza ilay izy. Hodinihintsika noho izany ny handrafetana ny Ekipantsika hiatrika izany fampisehoana izany (hetsika koltoraly). Ny masontsivana nangatahina dia mba ho Gropy maneho ny endriky ny Ankohonana sy ny Malagasy (Groupe représentatif)". 

Satria notakian'ny any amin'ny diosezy mialoha ny hatao anaran'ny Gropy hihetsika eny amin'ny Piazza del Risorgimento amin'ny alahady 5/10/2025 tolakandro, dia efa nalefa le izy. Misalotra ny anarana "Gruppo Beata Rasoamanarivo" isika amin'io hetsika io.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal, sj