ALAHADY 30/11/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Sady niditra amin’ny vanim-potoanan’ny Fiaviana isika tamin’ny alahady 30 novambra teo, no nanomboka ny taona litorjika vaovao (A) ihany koa. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. Fulgence sy P. Joslin izay sady nitendry zavamaneno niaraka tamin’i Mr Silvestro sy Mr Stanislas. Ny “Fraternità” kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia, izay mbola nanao ny fanadiovana ny fiangonantsika ihany koa taorian’ny sorona masina. 

Nentina am-bavaka sy noharabaina ny Raiamandreny Edmond, izay tonga tao niara-nivavaka tamintsika, noho ny fahatratrarany ny tsingerintaona nahaterahany.

Anjaran’ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA) indray no manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 7 desambra, alahady faharoa amin’ny Fiaviana (A).

Nandray fanasana ho amin’ny “Professione Solenne” any amin’ny “Cappella del Teresianum” (Piazza San Pancrazio, 5a) isika amin’ny 8 desambra amin’ny 11 ora, ka aza hadino. Efa nalefa ao amin’ny “whatsApp Rasoamanarivo” moa izany fanasana izany.

Amin’ny alahady 14 desambra dia hanao “récollection” ao amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino isika. P. Jean Chris no hitarika izany. Atombotsika amin’ny sorona masina amin’ny 9:45, dia tohizana amin’ny fampianarana na fifampizaran’ny pretra mitarika. Vita izay dia sakafo (samy mivimbina ary mandamina sy mandio avy eo). Asiana fiarahana manao rôzery aorianan’ny sakafo. Amin’ny 3 ora tolakandro dia hanao “fifampizarana” isika (tenin’And/tra, andra-piainana, fiomanana amin’ny noely, finoana…) ary faranana amin’ny 4.

Hamafisina hatrany ny hetsika noely hataontsika amin’ny alahady 28 desambra izao ; any amin’ny Collegio San Pietro, Viale delle Mura Aurelie, 4, 00152, no hanaovana izany. Tiana hohamafisina eto ny filazana ny fandraisana anjara. Hahatsara kokoa ny fandaminana sy fikajiana ny fotoana ny hahalalana mialoha ny fandraisana anjara. Aza misalasala ny mampahafantatra olona iray ao amin’ny Birao ny fandraisanao na fandraisanareo anjara.

Mirary  soa ho antsika rehetra.

 

P. Pascal, sj.