ALAHADY 25/05/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Barnabé no nitarika ny sorona masina ny alahady 25 mai 2025 teo. Niaraka taminy ry môpera Eugène sy Pascal. Ny ELVIR kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.  Taorian’ny sorona masina dia nisy ny “chocolat chaud” nifampizarana ka nahafahana nitafatafa sy niresadresaka ihany koa.

Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 1 jiona 2025. Azy ireo ihany koa ny manao ny fanadiovana manaraka ao amin’ny fiangonantsika san Macuto-Bellarmino.

Hatao batemy ao amin’ny Chiesa san Macuto i VELONDRAZA Kelsie, zana-dRANDRIANIRINA  Herizo Brice sy VELONDRAZA Fabienne, amin’ny alahady 8 jiona 2025. Toy ny mahazatra dia hanomboka amin’ny 9:45 ny sorona masina. Aorian’ny sorona masina dia hisy fialana hetaheta homanin’ny fianakavian’ny handray fahasoavana izay anasana antsika rehetra. 

Hamafisina amintsika fa hisy fihaonana amin’ireo evekantsika avy any Madagasikara amin’ny alahady 15 jiona 2025 izao. Andrasana handalo aty Roma daholo ireo eveka. Ny toerana hiarahantsika amin’izy ireo dia any amin’ny Collegio San Paolo (via di Torre Rossa, 40 – 00165). Lamesa, fiaraha-misakafo, korana no ho endriky ny fihaonantsika. Amin’ny 9:00 ny fahatongavanna any ary amin’ny 17:30 ny fodiantsika. Hosantarintsika amin’ny sorona masina izay hanomboka amin’ny 10:30 maraina ny fotoana. Ny litorjia amin'io andro io dia hiandraiketan'ny M.D.M.K., ka afaka miantso olona hanatevin-daharana azy amin'ny hira izy ireo. Momba ny sakafo hiarahana : ankoatr'ireo zavatra efa homanin'ny Ankohonana Rasoamanarivo dia asaina koa ny tsirairay sy ny fikambanana hanomana sy hivimbina izay azo ifampizarana.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj