Miarahaba antsika rehetra !
Vita iny ny vokatra izay nokarakaraintsika ny alahady 17 nôvambra 2024 teo. Nahafaly sy naha afa-po ny ezaka nataontsika tsirairay avy ka misaotra, mankasitraka anareo rehetra re tompoko. Hofantatsika aoriana any am-piangonana ny tatitra vokatry ny ezaka nataontsika izany. Isaorana isika rehetra niombona tamin'ny fanohanana ny Ankohonana ; misy ireo nikasa na naniry ho tonga nefa tsy afaka noho ny antony maro samihafa.
Rehefa avy nanao ny fiomanana samihafa dia natomboka tamin'ny fotoan-dehibe ny fotoana, dia ny sorona masina. Môpera Faly no nitarika izany, ary notron-dry môpera Olivier, Mamy, Meme, Pascal. D. Rémi no nanatontosa ny raharahan'ny diakra. Ny ekipan'ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia. Izy mirahalahy kosa, Hervé sy Silvestro, no teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Notohizana avy hatrany tamin'ny fanaovana vokatra moa izany rehefa vita ny sorona masina. Avy eo dia sakafo sy korana nanohizana ny vokatra. Nifarana tanteraka ny hetsika tamin'ny 5 ora hariva.
Amin'ny alahady 24 nôvambra 2024 (amin'ny alahady ho avy izao), araka ny efa fantatsika tamin'ny alalan'ny fanasana, dia ao anatin'ny sorona masina, alahady faha-34 mandavantaona B (Kristy Mpanjaka), no hitsofan-drano ny fanambadian'i Giovanni sy Denise. Amin'ny 10 ora maraina ny sorona masina. Aorian'ny mariazy dia manasa antsika tsy an-kanavaka any amin'ny sakafom-pety izy roa, araka ny hitantsika ao amin'ny fanasana. Ny "Fraternità" no nanomana sy hanentana ny litorjia amin'io alahady io.
Tsiahivina amintsika koa ny fanomanana ny récollection hiomantsika amin'ny Noely 2024. Kasaina hatao any Teramo ny alahady 8 desambra 2024 izao. Mandeha maraina dia miverina hariva. Lalana eo amin'ny adiny 2 mahery eo. Efa vonona ny olona handray antsika any (paroasy trinitera). Eo am-panomanana ny dia isika ka ny maika dia ny hahalalana ny isan'izay olona afaka handeha ho any. Ilaina ny hahalala mialoha ny isantsika satria arakaraka an'izany no hahafahantsika mamaritra sy mamandrika ny fiara iombonana. Araka ny efa nataon'ny sasany amintsika dia azo atao ny misoratra anarana ao amin'ny WhatsApp n'ny Ankohonana ; mariho fotsiny hoe "Teramo" fa hohitan'ny mpikarakara ; na koa mandefasa "message" amin'ny iray ao amin'ny Biraon'ny Ankohonana.
Izay ary fa dia mirary soa antsika rehetra !
P. Pascal, sj