Alahady 20/10/2024

Miarahaba antsika rehetra !

Niavaka kely ny lamesantsika ny alahady 20 ôktôbra 2024 teo. Nanotrona ny zanaky ny diosezin’Ambanja isika tamin’ny lamesa famaranana ny zaikabe nataon’izy ireo. Mgr Jean Pascal, evekan’Antsirabe, no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’ny pretra izay tonga tao sy diakra roa lahy. Tsy afaka tonga kosa i Mgr Donatien noho ny fahataran’ny fandraisana ny “visa”. Taorian'ny mitataovovonana ny sorona masina no nanomboka ary avy eo dia niroso tamin’ny fiarahana misakafo sy ny korana samihafa.

Amin’ny alahady 27 oktobra 2024 izao dia anjaran’ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia. Izy ireo ihany koa no mbola hitady fotoana hanadiovana ny fiangonantsika amin’ity volana ôktôbra ity.

Araka ny efa nampitaina tamintsika dia hankalaza ny "Festa dei popoli" isika amin'io alahady 27 ôktôbra io. Hatao isaky ny "Prefettura" no nandaminan'ny diosezin'i Roma azy.  Ny Ankohonana malagasy dia miaraka amin’izay mankalaza ao amin’ny Basilica dei Santi XII apostoli, Piazza dei Sainti Apostoli, 51, 00187 Roma.  Amin’ny 16:30 ny fanombohan’ny sorona masina ary aorian’izany dia misy fiarahana mihinan-kinana (16:00 fandraisana, 16:30 Sorona masina, 17:30 Agape fraterna e condivisione).

Tsy mbola mahazatra antsika ity fomba iray entina ankalazana ny "Festa dei Popoli" ity (ny misy stand sady iarahan’ny rehetra no nahazatra antsika hatramin’izay) fa entanina isika izay afaka mba ho tonga hahita ny fety amin’ny endriny vaovao.

Amin’io alahady io dia hisy lamesa toy ny mahazatra isan’alahady maraina ihany ao amin’ny San Macuto, indrindra ho an’ireo zay tsy ho afaka amin’ny lamesan’ny "Festa dei popoli" amin’ny hariva.

Miomana sahady isika amin’ny fanaovana vokatra amin’ny 17 novembra 2024 na dia mbola tsy voafaritra aza ny toerana.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.

P. Pascal sj