Alahady 9 avrily 2023 (Paka)

Eto am-panombohana dia ialako tsiny be ny fahataran'ny fandefasana amintsika ny fintim-baovaon'ny alahadin'ny Paka. Nampidera an'Andriamanitra ny fiaraha-mientan'ny rehetra nankalaza ny Paka 2023. Môpera Narindra no nitarika ny sorona masina niaraka tamin'ireo pretra maromaro nanotrona azy.
Arahabaina manokana ireo pretra zezoita malagasy mianatra any Belgique sy France tonga niaraka nankalaza ny Paka tamintsika. Ny sorona masina tomombana tsara dia noho ny fiarahantsika rehetra nandray anjara tamin'ny fankalazana. Isaorana manokana ireo nanana andraikitra manokana, toy ny mpiservy, mpandravaka, mpitendry...sns. Isaorana be ihany koa ny Pretra/Relijiozy nanentana sy nanamasaka ny litorjia. Mino aho fa nitondra hafaliana ho antsika rehetra ny fankalazana iny Paka iny. Tsy haiko koa anefa ny tsy hanisy teny ny herinandro masina izay nialoha ny Paka. Maro isika no afaka nankalaza ny herinandro masina tao San Macuto na dia nahiana hoe ho sarotsarotra aza noho ny fahasahiranana isan-karazany, toy ny asa. Mampidera an'Andriamanitra ary mampisaotra ny rehetra.

Miarahaba ny diakra vaovao Simon Rabemaharavo koa isika tamin'ny nandraisany ny fanamasinana azy ho diakra tamin'ny talata 11 avrily 2023 tamin'ny 4 ora tolakandro. Isaorana isika niombona taminy tamin'ny alalan'ny fanotronantsika azy. Mazotoa manompo Frera.

Nisy fitsangatsanganana izay niarahantsika nanao teny amin'ny via Osteria di Dragoncello 12 ihany koa ny alatsinain'ny Paka teo, 10 avrily 2023. Tsy ho voatantarako le izy fa ny sary nalefan'ny mpikarakara ao anaty site n'ny Ankohonana no hanambara azy.

Ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny alahady 16 avrily 2023 indray dia anjaran'ny M.D.M.K. 

Izay aloha ny vaovaontsika azo ampitaina tsotsotra fa amin'ny alahady izao manao misimisy, indrindra momba ny fiomanantsika amin'ny Pèlerinage hataontsika any Lourdes.

Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal sj (Addis Abeba)