Andao ho any Lourdes isika !

Amin'izao fiomanantsika handeha ho any Lourdes izao, dia tiako ny mamerina etoana ny teny fanokafana na famintinana ny fisehoana izay vakiana amintsika eo am-panombohana ny lamesa isaky ny 11 febroary, andro fankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes :

"I Masina Maria dia niseho in-18 tamin'i Bernadette, zazavavy 14 taona, tao amin'ny lava-baton'ny Massabielle any Lourdes (Frantsa atsimo), tamin'ny taona 1858. Ny fisehoany voalohany dia tamin'ny 11 febroary, ary ny farany dia tamin'ny 16 jolay (25 martsa, andron'ny Annonciation), no nanambarany ho fantatry ny olona fa izy no Ilay notorontoronina tsy azon-keloka.

Toy izao ny hafatra napetrak'i Masina Maria tamin'i Bernadette tamin'izany : hazoto hanao sapile, hivavaka ho an'ny mpanota, hivalo amin'And/tra, hisotro sy hisasa amin'ny loharano - dia ilay loharano tsy mbola nisy akory tao fa nanomboka niboiboika kosa rehefa nohohazan'i Bernadette tamin'ny tanany ny tany teo amin'ny toerana natorony azy ary tsy ritra intsony mandraka androany ka antsoina hoe Ranon'i Lourdes ; ary ny hafany farany dia ny hoe hanorenana fiangonana ao amin'ny toerana nisehoany sy ny fahatongavan'ny olona hanao procession eo. Tsy ho an'i Bernadette irery ihany anefa ireo hafatra ireo fa ho an'ny olona tso-po rehetra eran-tany.

Raha nitonona i Masina Maria tao Lourdes, fa izy no ilay tsy azon-keloka hatrany am-bohoka, dia tiany ny hampiseho amin'ny olon-drehetra fa izy no Eva vaovao, Renin'ny olombelona rehetra ; izy no Tranobe firaiketana natao hitadiavana ny tsy ampy sy idodododoana amin'ny mahory rehetra. Manamarina an'izany ireo zava-mahagaga tanterak'i Masina Maria ao Lourdes hatramin'izay ka mandrak'izao.

Hatramin'izay tokoa mako i Lourdes, dia manjary toerana idodododoan'ny olona rehetra mitady famelan-keloka sy mikatsaka fahasitranana na ara-batana na ara-panahy, ary irohotan'izay te-handre sy handray ny Vaovao Mahafaly, ka tsy ny katôlika ihany, fa ny mpino hafa koa, eny fa na dia tsy mpino aza, avy amin'ny firenena rehetra ambany masoandro.

Havaozy ny fitokisantsika sy fitiavantsika an'i Masina Maria, ary mifefe sy midodododoa aminy fa Reny be fahefana sy be famindram-po izy" [Sorona Masina andavanandro, pp. 1376-1377 (1987)].

Amin'ny pelèrinage toy izao isika dia mila miomana : fiomanana miaraka satria hiara-dia amin'ny vavaka ; fiomanan'ny tsirairay koa anefa  mba hanana fahavononana anaty ho entina hamantatra bebe kokoa an'i Masina Maria sy hanatanteraka an'ireo hafatra napetrany. Mba hazoto hanao sapile isika, hivavaka ho an'ny mpanota, hivalo amin'And/tra, hisotro sy hisasa amin'ny ranon'i L:ourdes. Ary iraka lehibe ataon'i Masina Maria koa ny hampahafantatra antsika sy hitaona antsika makany amin'ny zanany. Mila mihaino an'ilay Reny noho izany isika mba hahalala an'i Jesoa bebe kokoa. Am-pinoana no hizorantsika hanatanterahana ny pelèrinage any Lourdes. Na manantena sy manaiky ny fisian'ny fahagagana aza isika, dia tsy hahatsapa ny halalin'izany fahagagana na fanasitranana izany raha tsy mijery amin'ny masom-pinoana. Tsy misaraka amin'ny finoana ny fahagagana ; tsy mametra ny finoana ny fahagagana. Raha tsy izany dia maka fanahy an'And/tra isika, toy ny nataon'ny farisianina izay nangataka famantarana avy any an-danitra na fahagagana, tsy noho ny finoana fa fitsapatsapana fotsiny ihany (Mk 8,1-20).

Tamin'ny fahagagana, indrindra fanasitranana isan-karazany, nataon'i Jesoa tamin'ny olona samihafa, dia efa tao amin'ireo nositranina ny finoana sy faniriana hanaraka an'i Jesoa, ary dia tamin'izany no nandraisan'izy ireo ny fahagagana.

Ao amin'ny Mt 9,27-30 dia mitantara ny fanasitranan'i Jesoa an'ireo jamba roalahy. "Ry zanak'i Davida ô, mamindrà fo aminay". Nanontany azy ireo i Jesoa hoe : "Moa mino ianareo fa mahay manao izany aho", "Eny Tompoko", hoy izy ireo.  Tenim-pinoana sy fiekem-pinoana no nialoha ny fanasitranana. Namaly azy ireo i Jesoa : "Aoka ho tanteraka aminareo araka n y finoanareo".

Ao amin'ny Mk 8,22-26 indray dia milazalaza ny fanasitranan'i Jesoa an'ilay jamba tao Betsaida. Nentin'olona nanatona teo amin'i Jesoa io lehilahy jamba io mba hositranina. Ny finoana no nanosika an'ilay mpitondra, indrindra indrindra, mba hiroso eo amin'i Jesoa. Nino izy fa afaka hanasitrana an-dralehilahy i Jesoa.

Hamaranantsika azy dia ny tantaran'ny nanasitranan'i Jesoa an'i Bartimeo (Mk 10, 46-52).  "Ry Jesoa zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko". Nampanginin'ny olona i Bartimeo fa vao maika nampiaka-peo. "Rabôny ô, aoka mba hahiratra aho", hoy izy. "Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao".

Minoa isika dia hanaraka ho azy ny fahasitranana sy fahagagana hitantanan'Andriamanitra antsika.

 

P. Pascal sj