Fitsofan-drano sy fandraisan'i Mgr Gustavo Bombin Espino ny "pallium"

Mandritra ny sorona masina hotarihin'ny Papa François ao amin'ny basilika San Pietro Vatikana ny sabotsy 29 jiona 2024 izao, dia hisy ny fitsofan-drano sy fanolorana ny "pallium" ho an'ireo arseveka vaovao ; ny pallium izay tandindona lehibe manambara ny andraikitry ny arseveka izay toy ny mpiandry ondry mitondra an-tsoroka ny ondriny. Isan'ireo handray ny pallium i Mgr Gustavo Bombin Espino, arsevekan'i Toliary. Hanotrona azy noho izany isika amin'io andro io : sorona masina ao amin'ny basilika S. Pietro amin'ny 9:30 no manomboka ; avy eo dia asaina isika rehetra hiara-hisakafo sy hikorana ho fandraisana ny arseveka sy hirary soa azy amin'ny andraikitra lehibe fonosin'ny maha-arseveka azy. Ny toerana hisakafoanana dia tsy lavitra ny Place St Pierre fa ao amin'ny Residenza San Pietro Canisio, via dei Penitenzieri, 20 - 00193 Roma. 

P. Pascal S.I.