Taom-pikatrohana 2025/2026

Miarahaba antsika rehetra !

Nifarana tamin’ny alahady 27 jolay 2025 ny taom-pikatrohana 2024/2025. Tamin’ny alahady teo, 07/09/2025, dia nisantatra ny taom-pikatrohana na taona pastôraly vaovao 2025/2026 isika. Nitondra am-bavaka sahady mba hananantsika ny fahasoavana ho entina hamakivaky ny taona vaovao. Nitondra am-bavaka sahady ny mba hananantsika faharetana ka hiroso hatrany na eo aza ny fetra isan-karazany amin’ny maha-olombelona antsika. Eo indrindra aza no anehoana ny herin’ny finoantsika, fiatsapazana tanteraka amin’Andriamanitra. Isika tsirairay, ny vondrona na fikambanana, isika rehetra miray ao anatin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo dia mino aho fa samy maniry fahombiazana ho an’ny taona pastoraly vaovao daholo. 

Maniry ny hianoka ao anatin’ny fahombiazana isika rehetra amin’izay hataontsika mandritra ny taona.  Fahombiazana itambarana ka hiteraka hafaliana sy hasambarana ho an’ny besinimaro ; fahombiazana mijery sy natao ho an’ny rehetra ; endri-pahombiazana avy amin’ny fifampijerena, fifanampiana, fiombonana. Mba tsy ho fahombiazana mialoha fitiavana, na sanatria manitsaka fitiavana ! Ny fahombiazana ombam-pitiavana mandrakariva no irintsika sy ifampirariantsika. 

Iaino hatrany ny fanantenana ! Ivelan'ny vavaka fanaontsika miaraka isaky ny alahady, hamafiso sy tohizo ao anatin'ny vavaka ataonao manokana ny hananganana ho Olomasina ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo. Raisintsika am-pitiavana ho adidy izany noho ny anarany isaloran'ny Ankohonantsika eto Roma. Tsy hohadinointsika koa ny mivavaka ho an'ireo Olontsambatra isany : Frera Louis Rafiringa, Ramose Lucien Botovasoa ary môpera Jean Beyzym.

Mirary soa ho antsika rehetra ! 

P. Pascal, sj