Fanombohan'ny taona pasitôraly vaovao 2024-2025

Miarahaba antsika rehetra !

Hifarana atsy ho atsy ny volana aogositra 2024 ; fotoana izay nitsaharan'ny famonjentsika lamesa isaky ny alahady tao amin'ny "Chiesa san Macuto-Bellarmino", noho ny fiparitahantsika sy fivezivezentsika amin'ny toerana samihafa amin'io fotoana io. Inoako fa nahazo hery sy fialan-tsasatra tsara daholo isika ho enti-miatrika indray ny asa aman-draharaha eto Roma sy ny manodidina, na dia mbola maro ihany koa aza ireo any am-pielezana any.

Hanomboka ny taona pasitôraly vaovao 2024-2025 isika. Ny alahady 1 septambra 2024 izao no hanombohantsika izany, ka amin'ny 9:30 maraina toy ny mahazatra ny sorona masina ao amin'ny "Chiesa San Macuto Bellarmino". Koa satria alahady voalohany amin'ny volana io dia anjaran'ny vondrona "Ekipa sôlida" no manomana sy manentana ny sorona masina.

Maro ireo nofinofy ananan'ny Ankohonana Rasoamanarivo -Roma amin'ity taona pasitôraly 2024-2025 ity. Isan'izany ny hananan'ny Ankohonana "Antokompihira", saingy mba tsy hijanona ho nofinofy fotsiny ihany izany dia mila fanatanterahana. Efa manana ireo "Mpanolo-tsaina" samihafa isika ka hiara-miasa hijery ny fanatanterahana an'izany izy ireo, eo ambany fitarihan'ny Mpanolo-tsaina miandraikitra manokana ny finoana sy ny vaomierany. 

Manana ireo vondrona na fikambanana samihafa ny Ankohonana, toy ny Fiombonan'ny pretra sy relijiozy, ny ELVIR, ny Ekipa sôlida, ny Fraternità ary ny M.D.M.K. Mifandimby manomana sy manentana litorjia izy ireo. Hamafisina sy hohatevenina hatrany ny firoboroboan'ireny vondrona ireny ary tokony hohatsaraina hatrany ny endrika fandraisany anjara ao amin'ny Ankohonana. Tokony hanana rafitra mazava sy matotra ihany koa ny vondrona tsirairay mba hampandeha tsara azy fa "ny biby, hono, tsy mandeha raha tsy misy lohany". Ny "Antokompihira" dia hanao vaindohan-draharaha ny resaka hira ao amin'ny Ankohonana Rasoamanarivo : fampianarana, fanamasahana...Hiara-hiasa amin'ireo vondrona misy ao amin'ny Ankohonana ny Antokompihira ary hanampy azy ireo amin'ny fotoana ilana izany. Misokatra amin'ny rehetra ny Antokompihira, noho izany hifameno sy hifanampy amin'ny vondrona efa ananantsika fa tsy hifandrafy amin'izy ireo.

... Vao maika sitrak'Andriamanitra ny fiombonana sy fampiraisana ny talenta ananantsika mba hiderana azy...

Ho tahian'Andriamanitra daholo isika rehetra !

P. Pascal sj