FIOMANANA AMIN’NY FIFIDIANANA BIRAON’NY ANKOHONANA RASOAMANARIVO – ROMA
(Novambra 2026)
- FAMPAHATSIAHIVANA
Tamin’ny 29 oktobra 2023 no nanaovantsika ny fifidianana ny Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo – Roma. Lany, ka nandrafitra ny birao, tamin’izany ireto olona ireto :
RAHARISOLO Hanitra, Filoha
RANDRIAMASY Sylvestre, Filoha lefitra
RASOARIMALALA Ernestine, Mpitam-bola
RAKOTOMANANA Hasina, Mpanampy mpitam-bola
BEBINIRIANA Laurencia Ralisoa, Mpitan-tsoratra
RAMANDIMBIARISOA Sylvain Romuald, Mpanampy mpitan-tsoratra
Ny alahady 12 novambra 2023 kosa anefa vao nanao ny famindram-pahefana niaraka tamin’ny Birao teo aloha ireo vao voafidy. Io datin’ny 12 novambra 2023 io no nandray ny raharaha maha Biraon’ny Ankohonana Rasoamanarivo azy ireo voafidy tamin’ny 29 oktobra 2023.
Taorian’izany dia nanolotra anaran’olona efatra (Andr/toa Hervé sy Jean Jacques, Ramatoa Eulalie Abdallah sy Fra Désiré) tamin’ny Birao ny aumônier sy ny Filoha mba hankatoavina ny fanendrena azy ireo ho mpanolontsaina.
Hatramin’ny 12 novambra 2023 ka hatramin’izao fotoana efa hifaranan’ny “mandat” izao, dia maro ireo zava-nitranga. Tsara ny fiaraha-mientan’ny komity hanatsara ny Ankohonana na dia tsy mitovy aza ny fomba fijery na fomba fandray zavatra, izay tranga tsy maintsy miseho eo amin’ny fiaraha-miasa, saingy ny fahaizan’ny tsirairay miatrika izany no andrafetana ny lanjan’ny fiaraha-miasa. Isaorana an’And/tra ny fahatsapana ny fananan’ny tsirairay faniriana hanasoa ny Ankohonana ; anatsoahana lesona amin’ny fomba fiasa kosa ny zavatra tsy dia nandeha tsara araka ny novolavolaina sy neritreretina.
Raha tsiahivina kely dia niovaova ny isan’ny tao amin’ny Birao sy ny mpanolontsaina, ka nisy araka izany ny fifandaminana tamin’ireo tafajanona tao. Nametra-pialana ny Filoha voafidy, Raharisolo Hanitra, ka nisolo toerana azy hitondra ny Ankohonana ny lefitra, Randriamasy Sylvestre. Taty aoriana koa dia nisy ireo olona niala teto Italie ka nampihena ny isan’ny olona nandrafitra ny Birao sy ny mpanolontsaina. Lasa nandray asa any Nairobi-Kenya i Fra Sylvain (mpanampy mpitantsoratra) ; lasa nody any Madagasikara i Mr Jean Jacques (mpanolontsaina). Azo natao ny nitady olom-baovao hanolo ny banga, saingy narindra mba hitondra ny Ankohonana hatramin’ny faran’ny mandat ireo tafajanona ao anatin’ny Komity. Misaotra ny tsirairay noho ny ezaka sy karazam-pihafiana natao.
Ho vita atsy ho atsy ny mandat n’ny Birao (ho vita miaraka amin’izany koa ny an’ireo mpanolontsaina). Hiomana manokana amin’ny fifidianana Birao vaovao isika amin’io volana novambra 2026 io. Misy ny voasoratra momba ny SATA n’ny Ankohonana, arahintsika izany saingy tsy ho arahina ara-bakiteny fa omena lanja ihany koa ny traikefa niainana hatramin’izay mba hanatsoahana fanatsarana. Misy noho izany ireo fanamarihana sy mason-tsivana tiana havoitra mialoha ny fifidianana hatao amin’ny volana novambra 2026.
- INONA DAHOLO IREO ANDRAIKITRA HIFIDIANANTSIKA OLONA ?
- Fanamarihana :
Noho ny fahasarotan’ny resaka fitantanam-bola ka mety hanano sarotra ny fiovaovan’olona matetika, (ary nohon’ny fahitana koa hoe mizotra tsara ny fitantanana), dia nangataka an’i Sr Ernestine ny aumônier mba hanohy hatrany izany raharaha izany. Hohamafisin’ny aumônier ny fangatahana azy hijanona amin’izany andraikitra izany, toy ny efa fanaony amin’izao. Izy izany no mbola ho mpitambolan’ny Ankohonana, ka tsy hifidy olona hatao mpitambolaintsony isika amin’ny volana novambra 2026. Hifidy olona roa hafa kosa ho mpanolo-tsaina sy hanampy azy amin’izany.
Raha araka ny sata dia azo fidina indroa ho ao anatin’ny birao ny olona iray (2 mandats), izany hoe tsy mahazo manao “3ème mandat”. Vitsy isika, noho izany dia tsy ferana ny isan’ny “mandat” fa rehefa ilain’ny Ankohonana ka fidin’ny olona dia manan-kery foana ny fandraisany ny mandat vaovao.
- Iza ireo olona hofidina ?
Filoha :
Olona iray. Lahika, na vavy na lahy. Tsy latsaky ny 20 taona. Filoha miandraikitra ny Ankohonana manontolo ary amin’ny lafin-javatra samihafa (toutes sortes d’organisations) Mampivory sy manomana ny fihaonan’ny Biraon’ny Ankohonana. Mitondra teny sy misolo tena ny Ankohonana amin’ny fotoana ilana izany. Milaza vaovaom-piangonana (miara-miasa akaiky amin’ny sekretera amin’ny fanangonam-baovao)
Filoha lefitra :
Lehilahy na vehivavy tsy latsaky ny 20 taona. Miara-miasa sy manampy ny Filoha izy. Misolo azy amin’ny fampandehanan-draharaha rehefa tsy eo ny Filoha.
Mpanampy sy mpanolotsain’ny Mpitambola (olona 2) :
Lehilahy na vehivavy tsy latsaky ny 20 taona.
Mpitantsoratra :
Lehilahy na vehivavy tsy latsaky ny 20 taona. Tomponandraikitra amin’ny resaka seraseran’ny Ankohonana isan-karazany : filazana, publications…Mandray an-tsoratra mandritra ny fivorian’ny Birao, na izay mila raiketina an-tsoratra amin’ny Ankohonana.
Mpitantsoratra lefitra :
Lehilahy na vehivavy tsy latsaky ny 20 taona. Manampy sy miara-miasa akaiky amin’ny mpitantsoratra.
Tomponandraikitra amin’ny fitaovana ao am-piangonana :
Lehilahy na vehivavy tsy latsaky ny 20 taona. Mpiandraikitra sy mpanara-maso manokana ny fitaovan’ny Ankohonana ao am-piangonana (ny ao an-toerana, ny mivoaka sy miditra…)
- MASON-TSIVANA HO ENTINA HIFIDY “CANDITATS” :
Ny olona fidina ao anatin’ny Birao dia olona hiara-hiasa akaiky amin’ny “aumônier”. Tendrena ny “aumônier” hitondra ny “aumônerie malagasy” eto Roma ka angatahana izy mba handrafitra ekipa hanampy sy hiara-miasa aminy. Zava-dehibe ny fahavononana hiara-hiasa noho izany.
Ny Biraon’ny Ankohonana dia mijery manokana ny firindran’ny Ankohonana iray manontolo, ho an’ny lafin-javatra rehetra. Na dia ao anatin’ny vondrona na fikambanana samihafa aza ilay voafidy, izay tsy misakana ny maha-Birao azy, dia tsy ho solontenam-pikambanana na vondrona no antom-pisiany ao amin’ny Birao. Hisy rafitra manokana hiantsoana solon-tena isam-bondrona na isam-pikambanana hiara-mivory amin’ny Birao rehefa misy ny ilana izany (fivoriam-be).
Olona hitarika sy hijoro ho vavolombelona ny olona hofidina handrafitra ny Biraon’ny Ankohonana. Angatahina noho izany mba ho olona “ara-dalàna ara-tsakramenta” no hofidina. “Ara-dalàna ara-tsakramenta” tsy midika akory hoe lavorary izy, na koa hoe olona tsy maintsy manam-bady izy (satria mety ho mpitovo ihany koa), fa kosa raha olona efa manam-bady izy dia tokony ho vita mariazy.
Olona afaka hiray petsapetsa amin’ny mpivavaka ireo hofidina ; izany hoe olona hiara-dalana amin’ny Ankohonana, na amin’ny lamesa izany, na amin’ny fandaharana isan-karazany. Tsy miteny aho hoe tsy afaka hanapaka alahady mihitsy, fa ho sahirana kosa ny Ankohonana raha in-1 mandeha monja isam-bolana, ohatra, ny Filoha no tonga ao am-piangonana.
- AHOANA NY FOMBA HIFIDIANANA ?
Ny olona tonga rehetra ao am-piangonana no mifidy (ny latsaky ny 18 taona tsy mifidy)
Ny Birao sy ny mpanolontsaina no manomana ny fifidianana (fanomanana izay ilaina toy ny taratasy, stylo na crayon, fanisana, …).
Ny fomba hanaovantsika ny fifidianana (pratique) dia mbola hivory ny komity amin’ny septambra handinika fomba tsaratsara kokoa sy voaomana kokoa. Lazaina antsika manaraka eo.
P. Pascal, sj.