Felix Pascha 2023 !

Injay manakoako eran'ny tanàna ny hira maredona hoe : "Nandresy ny Tompontsika ; mifalia isika, mihirà ny fandreseny ; nandresy ny Tompontsika ; maty ihany fa velona indray...sns." ( Fihirana Hasina p.75, Vavaka sy hira p. 696, Dera p.116). Tontolom-pifaliana, tontolom-pandresena. Velona i Kristy, resiny tokoa ny fahafatesana. Ankafaliana no iarahabako anareo tsirairay avy ato amin'ny Ankohonana Rasoamanarivo amin'izao Paka 2023 izao. Ho herintsika hatrany ny fandresen'i Kristy ka hanampy antsika hamakivaky hatrany ny lalam-pinoantsika ary tsy hampihemotra antsika eny fa na dia amin'ny sarotra aza. 

P. Pascal sj