Fifampizarana ataon'i Frera Dezy momba ny karemy

 

(Zarain'i Frera Désiré an-tsoratra amintsika eto ny fanentanana ataony isaky alahady  alohan'ny lamesa amin'izao vanim-potoanan'ny karemy izao)

Alahady voalohany amin'ny karemy

Mahafaly ahy, Frera Désiré Monfortain, ny manolotra teny tsotra mba hifampizarana amin'izao karemy 2023 izao. Manolotra ho antsika fifampizarana karazana fandalinam-pinoana, izany hoe zavatra efa haintsika ary efa fantatsika fa halalinina bebe kokoa hatrany.

Tamin'ny vanim-potoanan'ny Fiaviana alohan'ny Noely dia niomana isika handray an'Andriamanitra amin'ny fiainantsika. Izao karemy izao kosa dia fotoana anomanana antsika  mba hiaraka amin'Izy Tompo hanatratra ny tanjon'ny fandresena, dia ny Paka. Izany hoe miara-dia sy miara-dalana amin'Izy Tompo isika Kristianina. Fotoana tsara ny karemy noho izany fa tsy sanatria akory hoe vanim-potoana mampalahelo na manjombona na mampiferitr'aina. Faheno matetika mantsy ny hoe maro no miferitr'aina rehefa tonga ny karemy fa hoe hifady hanina indray, na hoe hanao asa fitiava-namana indray koa.

Entanin'ny vakiteny tamin'ny alarobian'ny lavenona isika tamin'ny alalan'ny tenin'i Md Paoly hoe indro ankehitriny ny fotoana tsara ary indro ankehitriny ny androm-pamonjena (II Kor 5). Miaraka amin'Izy Tompo isika ary miombona amin'ny Fiangonana manontolo amin'izany. Misy ireo toro-marika aroson'ny Fiangonana anefa amin'izany, dia ny fifadian-kanina, fanaovana asa fitiava-namana ary fivavahana. Tsy irery isika amin'ny fanatanterahana an'izany fa miaraka amin'izy Tompo. Miara-dia sy miara-dalana aminy mba ho tonga hatrany amin'ny Paka fandresena.

Fehezin'i Jesoa amin'ilay teny tsotra amin'ny fampianarana nataony izany raha nilaza izy nanao hoe : "raha mivavaka ianao dia midira ao amin'ny efitranonao (fonao) mangingina" (Mt 6,6). Ny fo tokoa no tsy misy mahita afa-tsy ianao tompony sy Andriamanitra ihany. Lazain'i Jesoa hoe efitranonao fa tsy hoe efitranonareo. Teny tsotra mila asiana fandinihana mba ho azontsika ny tiana hambara. Tsy iombonanao amin'ny olon-drehetra ny fonao, fa anao irery ary ianao no mahalala ny ao anatiny ao. Mila ny fontsika hatoky sy hino Azy Andriamanitra. Tsy afaka miaraka tokoa ny olona tsy mifampatoky. Atoron'Izy Tompo ny lalana hanarahana Azy dia ny lalan'ny Hazofijaliana. Tian'Izy Tompo hifikitra amin'io Hazofijaliana io isika mba hahatsapantsika ny fijaliana niaretan'i Jesoa maneho ny fitiavanany antsika olombelona.

Misy ireo teny 7 nolazain'i Jesoa Kristy teo ambonin'ny Hazofijaliana. Teny 7 mifono hevitra lalina momba ny misterin'ny Fitiavany antsika Olombelona.

1- Teny voalohany : "Avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony" (Lk 23,34) : Misterin'ny famelana

Fangataham-pamelana no nasetriny ny fanamelohana azy. Fangataham-pamelana ho an'ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fanamelohana azy. Mifanihitra ny fombantsika olombelona sy ny fomban'Andriamanitra eto satria raha amintsika olombelona dia fahotana iray na "ratsy" iray dia mahavoakosoka ny tsara rehetra natao. Amin'Andriamanitra kosa dia ny tsara iray ataontsika aminy dia mahavoakosoka ny ratsy rehetra raha mibebaka marina amin'ny fo isika. Tsy mba nirian'Izy Tompo ny hahafaty na hahavery antsika ao anaty fahotana. Ny fibanjinantsika ny Hazofijalian'i Kristy dia manokatra ho antsika ny lova mandrakizay, izay azontsika, tsy noho ny asantsika, fa noho ny finoana sy fahasoavana.

2. Teny faharoa : "Anio ihany dia hihaona amiko any an-danitra ianao (Lk 23,43) : misterin'ny famonjena

Io no teny nolazainy tamin'i Md Dismas, jiolahy nivalo hoy ny fiteny. Azo lazaina fa olomasina nambaran'i Jesoa teo no ho eo izy (25 marsa ny fetiny). Hoy i Md Paoly amin'ny taratasy ho an'ny Romanina : "Isika dia nohamarininy maimaim-poana amin'ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin'i Jesoa Kristy" (Rm 3,23-24). Tsy hoe maimaim-poana (gratuit) ka tsy misy vidiny anefa izany fa fitiavana tsy voavidim-bola aman-karena

Alahady faharoa amin'ny karemy (tohiny)

3. Teny fahatelo : "Ravehivavy o, indro ny zanakao, ry Mpianatra o, indro ny Reninao" (Jn 19,26-27) : misterin'ny Fitiavana

I Md Jean de la Croix dia nampianatra nanao hoe : "Raha te-hahita an'i Jesoa Kristy ianao dia aza mitady azy ankoatry ny eo amin'ny Hazofijaliana ary mandehana hatreo am-pototry ny Kalvery". Teny izay nataon'i Jesoa tamin'i Masina Maria sy i Masindahy joany apostoly nisolo-tena antsika olombelona rehetra mpanara-dia an'i Kristy. Fanomezana lehibe indrindra ny Reny izay natolony ho antsika ihany koa. Mampiseho n y fisian'ny fianakaviana vaovao ary fiarahana anaty firahalahiana tokoa (fraternité). Ibanjinantsika ny mistery lalin'ny fitiavana izany ary mampitodika antsika amin'ilay Reny iombonana, dia i Masina Maria. I Md Louis Grignon (mpanorina ny Fikambanan-dry frera Dezy) dia nilaza hoe raha manao vavaka Raozery isika dia mibanjina an'i Jesoa Kristy miaraka amin'i Masina Maria (TVD n°60). Nohamafisin'i Md Joany Paoly II (papa) io teny io.

4. Teny fahefatra : "And/tra ô, And/tra ô, nahoana re aho no dia nilaozanao" (Mt 27,46 / Mk 15,34) : misterin'ny fampihavanana (réconciliation)

Antso nataon'i Jesoa Kristy tamin'izy Ray. Toa nisolo vaika ny mpanota rehetra miantso famonjena izy. Tian'i Kristy tsy hisy ho very isika ary tiany tsy hisaraka aminy. Tsy hisaraka amin'izy Ray Mpahary ihany koa. "Andriamanitra dia nampihavana an'izao tontolo izao Aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy zanany" (II Kor 5,19)

Alahady fahatelo amin'ny karemy (tohiny)

5. Teny fahadimy : "Mangetaheta aho": misterin'ny fanasitranana

Fanasitranana antsika amin'ny fijaliana sy aretina ary ny rofy rehetra. Voalazan'i Jesoa Kristy io teny io mba hahatanteraka izay voalaza tamin'ny mpaminany hoe "Vinaingitra (aceto) no nomeny ho solon'ny rano ho fanalana hetaheta (Sal 69,22). Isan'ny fanatanterahana ny tenin'i Izaia hoe : "Izy naka ny rofintsika sy ny aretintsika rehetra" (Izaia 53,4). Eritrereto lalina ange raha misy olona miteny aminao hoe mangetaheta aho, dia inona no hataonao ? Raha teny hafa no nolazain'i Jesoa dia mety zavatra hafa no hiseho. Mba ho tanteraka izay rehetra voalaza momba azy. Ny manome rano dia tsotra sy mora ary io no andrasan'Izy Tompo amintsika. Handray anjara amin'izay kely sy tsotra indrindra amin'ny fijaliany isika. Mampitodika antsika amin'ny fitiava-namana ireo izay mangetaheta manoloana antsika. Mangetaheta vola, fitiavana, fanampiana...sns. Tian'Andriamanitra ny hijerentsika an'ireny amin'ny fo feno fitiavana ary hanaovantsika izay azontsika atao. Ny fiainantsika dia tokony hamaly ny antson'izy Tompo hoe mangetaheta aho. Maro ireo manodidina antsika no mangetaheta ary afaka mamaly ny hetahetan'izy ireo isika.

6. Teny hahenina : "Tontosa ny zavatra rehetra" (Jn 19,30) : misterin'ny fandresena

Nandresy i Kristy. Fandresena teo ambony Lakroa io. Eto dia ahitantsika fa iraka avy amin'ny Ray Mpahary no nanatanterahan'i Jesoa ny famonjena antsika olombelona. Nolazainy tamin'ny vavaka nataony io. "Nanome voninahitra anao aho tety an-tany ka tanterako ny asa nanirahanao ahy" (Jn 17,4). Tsy zavatra sendrasendra akory ny Lakroa fa efa fandaharan'Andriamanitra hatry ny ela hamonjeny antsika olombelona sy hanehoany ny fitiavany antsika.  Ny Lakroa, hoy i Md Louis Grignon de Montfort dia fandresena ny herin'ny aizina. Teo no nanomboka ny fahateraham-baovao rehefa nivoaka rano sy ra ny fony nolefonina. Vita ny asa nataony dia anjarantsika kosa ny manohy an'izany ary mandray izany famonjena izany. Ainga vaovao.

7. Teny fahafito : "Ray ô, eo am-pelatananao no apetrako ny aiko (Lk 23, 46) : misterin'ny Finoana

Afaka hateloana dia hitsangan-kovelona izy araka ny voalaza ao amin'ny Evanjelin'i Md Matio 16,21. Natoky sy mino izy fa ny Ray dia eo akaikiny mandrakariva. Ny fananantsika finoana dia mampiseho ny fahatokisana an'And/tra tanteraka. Mahafaly an'Andriamanitra ny ananantsika sy iainantsika ny finoana ary ny fahatokisana azy. Maro amintsika anefa no mino saingy tsy tena matoky izay voalazan'Andriamanitra. Koa fotoana izao hiezahantsika hametrahana ny fitokisana tanteraka amin'Andriamanitra. Aza matahotra ny handray sy hibanjina ny Lakroa masin'i Jesoa Kristy fa amin'io Lakroa io no misy fitiavana, famelana, fanavotana, fampihavanana, fanasitranana, fandresena ary finoana.

Tanteraka an-tsakany sy an-davany ny asan'i Jesoa Kristy ary miandry antsika izy, dia izy ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana (Jn 14,6).

 

Frère Désiré, Montfortain