Alahady 15/09/2024

Miarahaba antsika rehetra !

 

Misaotra antsika rehetra tonga niara-nivavaka tamin’ny alalan’ny famonjena ny sorona masina ny 15 septambra 2024 teo, alahady faha-24 mandavantaona (B). Môpera Frésie no nitarika ny sorona masina tamin’io andro io, niaraka tamin-dry môpera José, Pascal ary Joslin ; ity farany moa dia sady teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno ihany koa. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia ary i Francel niandraikitra ny raharahan’ny mpiservy. Teo am-panombohana ny sorona masina dia nanao famangiana ireo nana-manjò, R/se Silvestro, izay namoy ny Rainy, sy R/toa Marie Anne, izay maty rahavavy. Nentina am-bavaka tamin’ny sorona masina ihany koa ny fialan-tsasatry ny fanahin’ireo nodimandry.

Anjaran’ny ELVIR indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 22 septambra 2024 izao, alahady faha-25 mandavantaona (B).

Amin’io alahady 22 septambra io, aorian’ny sorona masina, dia hisy fijerena ny fanomanana manokana ny fetin’ny Ankohonana : hojerena amin’io fotoana io ny litorjia efa voaomana ho amin’izany, ny fizarana andraikitra…

Fetin’ny Ankohonana Rasoamanarivo – Roma : araka ny efa fantatsika dia hatao amin’ny alahady 29 septambra 2024 izao ny fety. Mizara roa ny toerana hanaovantsika izany, fa mifanakaiky : ny tapany voalohany dia ao amin’ny « Parrocchia Santa Marcella », ao amin’ny Via Giovanni Battista Belzoni, 1, 00154 Roma. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny sorona masina ho an’ny Ankohonana (mba ho vita alohan’ny amin’ny 11 ora izay fotoana hanombohan’ny lamesan’ny paroasy). Ny tapany faharoa kosa dia ao amin’ny Via Odoardo Beccari, 43, 00154 Roma : vao vita ny sorona masina avy any amin’ny paroasy dia mihazo avy hatrany an’io adiresy io isika hanohy ny fotoana. Manentana sy manasa antsika rehetra hiara-hivavaka sy hikorana amin’io fetin’ny Ankohonana io.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal sj