Miarahaba antsika rehetra !
Anjaran'ny "Fiombonan'ny pretra sy relijiozy" ny nanomana sy nanentana ny litorjia tamin'ny alahady 10 nôvambra 2024 teo ; i môpera Mamy (S.D.B.) no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i môpera Pascal. M. Silvestro no teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana isika rehetra tonga niaraka nivavaka sy niombom-bavaka.
Anjaran'ny M.D.M.K. ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin'ny 17 nôvambra 2024 izao (alahady faha-33 mandavantaona B). Ny "Ekipa sôlida" kosa no hitady fotoana handiovan'izy ireo ny fiangonantsika ho an'ny volana desambra 2024.
Amin'io alahady 17 nôvambra 2024 io, izany hoe amin'ny alahady ho avy izao, dia hanao ny "vokatra" isika ka any amin'ny Paroasin-dry môperan'ny Lasalety eto Roma no hanaovantsika izany, Piazza Madonna della Salette, 1, 00154. Amin'ny 9 ora dia efa handray sy hanangona ny zavatra hatao vokatra isika ; amin'ny 10 ora ny sorona masina, arahina fanombohana avy hatrany ny vokatra ; avy eo fiaraha-misakafo sy korana mandravaka ny fanohizana ny vokatra. Amin'ny 5 ora isika mandamindamina ny toerana alohan'ny hodiana. Manasa antsika ho tonga maro amin'izany.
Ny alahady 8 desambra 2024 izao indray dia hanao "dia am-bavaka fiomanana amin'ny Noely 2024" isika. Any Teramo no toerana halehantsika, ao amin'ny paroasy tantanan-dry môpera Trinitera malagasy. Eo am-pandrindrana ny fiarahana mandeha any an-toerana amin'io andro io isika. Hisy noho izany, ao amin'ny whatsAp Rasoamanarivo, ny fangatahana mialoha ny anarantsika izay ho afaka handeha any an-toerana. Izany no hatao moa dia mba hanamora ny fanomanana mialoha ny dia. Zava-dehibe amin'ny fitadiavantsika fiara ny fahalalana ny isan'ny olona handeha. Ny "sarandana" dia mbola miankina amin'ny isantsika rehefa mamandrika fiara ka mbola hampitaina miandalana eo no momba izany.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra
P. Pascal sj