Miarahaba antsika rehetra !
P. Fulgence, "Recteur" n'ny Kôlejy Bellarmino, no nitarika ny lamesa tao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino ny alahady 15 desambra 2024 teo ; niaraka taminy nanolotra ny sorona masina ihany koa ireo pretra izay tonga tao : P.P. Frésie, Romuald (Meme), José, Barnabé, Eugène ary i Diakra Rémi. Ny M.D.M.K. no nanomana sy nanentana ny litorjia ary mbola nanomana ny chocolat chaud ihany koa izy ireo ; F. Sylvain sy Silvestro kosa no teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Tamin'io fotoana io no niarahaban'ny Ankohonana an'i Mr Thommass sy Mme Anna Brigitte noho ny fahasoavana vao avy noraisin'izy ireo, dia ny sakramentan'ny fanambadiana.
Taorian'ny lamesa dia nisy fivoriana nataon'ny "F.F.K.M. Roma" teny Monte Mario nandinihana ny ho fanatanterahana ny "hetsika F.F.K.M. Roma" izay hatao ny 19 janoary 2025 izao. Mbola hampitaina amintsika tsy ho ela ny antsipiriham-baovao momba izany.
Ny litorjia amin'ny 22 desambra 2024 kosa dia anjaran'ny ELVIR no manomana sy manentana azy (alahady faha-4 amin'ny Fiaviana D).
Iaraha-misalahy ny fanatanterahana ny litorjia amin'ny Noely, 25 desambra 2024. Hifampizarantsika toy izao manaraka izao :
- Manentana : Ekipa sôlida
- Vakiteny I : Solontenan'ny pretra sy relijiozy
- Vakiteny II : M.D.M.K.
- Ranombavaka : ELVIR sy Fraternità
Tsy misy lamesa ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin'ny 1 janoary 2025.
Mankasitraka antsika rehetra !
P. Pascal, sj