Faly miaraharaba antsika rehetra indray !
Niombona tamin'i P. Jaovelo isika tamin'ny fankalazany niaraka tamintsika ny jôbily faha-50 taonan'ny maha-pretra azy. Izy no nitarika ny sorona masina tamin'io alahady 12 janoary 2025 io, notronin'ireo pretra maromaro tonga tao, isan'izany i P. Fulgence, "Rettore" n'ny Trano San Roberto Bellarmino. Ny Fiombonan'ny pretra sy relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia ka ry Maseran'ny "Orsoline di Verona" eto Roma no nisolotena azy ireo tamin'izany fanentanana izany. Fr Sylvain sy Mr Sylvestre ary Mr Stanislas no teo amin'ny fitendrena na fidabohana ny zavamaneno. Taorian'ny sorona masina dia nisy ny fiaraha-miala hetaheta na ny "chocolat chaud" nanehoana ny fiaraha-mifaly tamin 'i P. Jaovelo.
Anjaran'ny M.D.M.K. indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 19 janoary 2025. Marihina moa fa tsy misy lamesa ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin'io alahady io.
Fampahatsiahivana sy fanamafisana :
Alahady 19 janoary 2025 : Vavaka iraisam-pinoana miaraka amin'ireo Fiangonana rahavavy. Eny amin'ny Via Appia Nuova 884 - 00178 (Roma) na via al quarto Miglio, 3 - 00178 ny toerana hanaovana izany. Manomboka amin'ny 14:30 ny fotoana ary mifarana amin'ny 17:30. Hisy korana ho an'ny ankizy amin'io ka samia mba manomakomana ny zanany avy. Ho antsika katolika dia hihazo avy hatrany eny an-toerana isika ny maraina ka hanao lamesa amin'ny 10 ora. Tsy misy lamesa ao amin'ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin'io andro io.
Atitraterina hatrany ny fifampiarahabantsika tratry ny taona vaovao 2025 amin'ny alahady 9 febroary 2025. Eny amin'ny "Parrocchia S. Maurizio Martire, Via del Poggio di Acilia, 110 - 00126 no toerana hanaovantsika izany. Mbola holazaina amintsika eo ny antsipirihany fa efa afaka manomana sahady ny fifanolorana "cadeaux" isika dieny izao.
Iomanantsika dieny izao ihany koa ny fiatrehana ny "Giubileo degli Adolescenti" sy ny "giubileo dei Bambini". Ny "Ankohonana" avy amin'ny firenena samihafa ato anatin'ny diosezin'i Roma dia hankalaza io "Giubileo degli Adolescenti" io, miaraka amin'ny Papa François, ny 27 avrily 2025 eo amin'ny Kianja San Pietro. Toy ny avy amin'ny Ankohonana samihafa dia hisy solontenantsika koa handray ny sakramentan'ny Fankaherezana amin'io fotoana io. Toy izany koa dia mbola hankalaza ny "Giubileo dei Bambini" isika ny 1 jiona 2025, miaraka amin'ny Papa François ihany koa ary mbola eo amin 'ny Kianja San Pietro. Hisy solontenantsika hanao ny komonio voalohany amin'io andro io. Mbola hohenontsika miandalana eo ny antsipirihan'ny vaovao.
Mirary soa antsika rehetra,
P. Pascal, sj