Alahady 09/02/2025

Salama daholo isika mianakavy !

Vita ny alahady 9 febroary 2025 teo ny fotoana nifanomezantsika nifampiarahabana tratry ny taona vaovao 2025.  Natomboka tamin'ny fandraisana sy fanomanana ireo tolotra nifanaovana tamin'ny "échanges des cadeaux" ny fotoana. Avy eo dia niroso tamin'ny fanatanterahana ny sorona masina, izay nentina nisaorana an'And/tra tamin'ny nitantanany tamin'iny taona 2024 iny ; nentina nitondrana am-bavaka ho an'ny fizotran'ny taona vaovao ihany koa. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'ireo pretra maro ihany koa. Ny Fiombonan'ny pretra sy relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia. Nisy ny fiaraha-misakafo sy nitotorebika nankalazana izany fety izany. Mamerina ny fisaorana antsika rehetra tamin'ny fanehoantsika fiarahana tamin'iny andro iny.

Anjaran'ny M.D.M.K. indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny alahady 16 febroary 2025 ary mbola anjaran'izy ireo ihany koa no mitady fotoana hahafahan'izy ireo mandio ny fiangonantsika, Chiesa San Macuto-Bellarmino amin'ity volana febroary ity. 

Misy fanasana antsika avy any amin'ny Mma Anna David, izay efa nampitaina any amin'ny WhatsApp-Rasoamanarivo : manasa antsika rehetra izy amin'ny fankalazany ny faha-50 taonany izay hatao ao amin'ny via Borgosesia, 315, Roma ny Alahady 2 marsa 2025 amin'ny 1 ora tolakandro.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj