Miarahaba antsika rehetra !
Môpera Eugène no nitarika ny sorona masina tamin’ny 13 avrily 2025, nankalazantsika ny alahady sampankazo. Niara-nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Fulgence, Barnabé, Luc, Laurent, Faly ary Pascal. I Silvestro sy Hervé no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Ny Fiombonan’ny pretra sy relijiozy kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny “chocolat chaud” natolotr’i Hasina mivady nanehoan’izy ireo ny fisaorana ho an’ny Ankohonana tamin’ny fitondrana am-bavaka ny mariazin’izy ireo tany Madagasikara. Efa elaela no nanaovana ny mariazy ary efa noharabaintsika tao amin’ny Ankohonana izy ireo. Sambany nandalo tao amin’ny Ankohonana miaraka anefa izy mivady ka nahatonga azy ireo naneho ity fihetsika ity.
Ao anatin’ny herinandro masina isika izao. Vanim-potoana mitondra antsika makany amin’ny Paka. Koa entanina isika mba hankalaza izany vanim-potoana lehibe izany. Ampahatsiahivina fa ny fivavahana ao amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino mandritra ny triduum pascal dia manomboka amin’ny 18:30 avy (alakamisy masina, zoma masina ary sabotsy masina). Averintsika eto indray ireo fifampizarana andraikitra mandritra izany :
Alakamisy masina hariva : Pretra mitarika : P. Fulgence ; mpanentana : Pretra sy relijiozy ; vakiteny I : M.D.M.K. ; vakiteny II : ELVIR ; ranombavaka : Fraternità sy Ekipa sôlida
Zoma masina hariva : Pretra mitarika : P. Eugène ; mpanentana : M.D.M.K. ; vakiteny I : ELVIR ; vakiteny II : Fraternità ; ranombavaka : Ekipa sôlida sy relijiozy.
Sabotsy masina hariva (misy batemy) : Pretra mitarika : P. Pascal ; manentana : ELVIR ; vakiteny I : Fraternità ; vakiteny II : Ekipa sôlida ; vakiteny III : relijiozy ; vakiteny IV : M.D.M.K.
Alahady Paka : Pretra mitarika : P. Faly ; anjaran’ny M.D.M.K. ny litorjia.
Averina amintsika eto ihany koa ny korana amin’ny Pasquetta :
Pasquetta” na “lundi de pâques” amin’ny 21 avrily 2025. Andro fitsangatsangana araka ny mahazatra antsika. Mety maro ny mamolavola fandaharam-pitsangatsanganana ho antsika malagasy eto Roma sy ny manodidina amin’io andro io. Iray amin’izany ny fanasan’ireo malagasy monina any Subiaco. Maro noho izany ny sampanana azontsika aleha araka izay fahafahan’ny tsirairay avy. Ny Ankohonana Rasoamanarivo dia mikarakara “lundi de pâques” ho an’ireo izay eto Roma na tsy afaka handeha lavitra amin’io andro io nefa te-hiala voly. Eny amin’ny Faritry ny Monfortains eny Monte Mario no hanaovantsika izany.
Mirary soa antsika rehetra ary samy ho tratry ny Paka daholo !
P. Pascal, sj