Miarahaba antsika rehetra !
Mamerina ny fiarahabana antsika rehetra tratry ny Paka 2025. Misaotra antsika ihany koa niara-nivavaka namakivaky ny “triduum pascal” nanomboka ny alakamisy masina, nitondra antsika tamin’ny fankalazana ny andron’ny Paka ny alahady 20 avrily. Mamerina ny fiarahabana an’i Gladys Elodie ihany koa, izay nandray ny sakramenta (katekomena) ny alin’n y sabotsy masina, ka nanolotra zavatra niarahana niala hetaheta sy notsakotsakoina taorian’ny sorona masina tamin’ny alahadin’ny Paka.
P. Faly no nitarika ny sorona masina fankalazana ny Paka, niaraka tamin’ireo pretra maromaro tonga tao amin’ny chiesa San Macuto-Bellarmino. Ny M.D.M.K. kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin’io andro io. P. Joslin sy Mr Silvestro no teo amin’ny zavamaneno.
Ny alatsinain’ny Paka dia maro koa no tonga niara-niala voly teny Monte mario (viale dei Monfortani). Isaorana isika rehetra.
Anjaran’ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 27 avrily 2025, alahady faharoan’ny Paka (D). Ny Fraternità no hitady fotoana handiovan’izy ireo ny fiangonantsika San Macuto-Bellarmino ho an’ny volana “mai 2025”.
Maneho fiombonana tanteraka amin’ny Fiangonana isika amin’izao fahalasan’i Papa François izao : mivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahiny sy manankina ny Fiangonana manontolo eo am-pelan-tanan’And/tra.
Mirary soa ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj