Miarahaba antsika rehetra !
Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia ny 27 avrily 2025 teo, alahady faharoa fankalazana ny Paka (D). Môpera Joslin sy Mr Silvestro kosa no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Môpera Nicolas no nitarika ny sorona masina, notronin’ireo pretra tonga niaraka nanolotra izany taminy.
Anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 4 mey 2025. Ny “Fraternità” kosa no mitady fotoana handiovan’izy ireo ny fiangonantsika, san Macuto-Bellarmino, ho an’ny volana mey 2025.
Ampahafantarina antsika dieny izao fa hisy fihaonana amin’ireo evekantsika avy any Madagasikara amin’ny alahady 15 jiona 2025 izao. Andrasana handalo aty Roma daholo ireo eveka. Ny toerana hiarahantsika amin’izy ireo dia any amin’ny Collegio San Paolo (via di Torre Rossa, 40 – 00165). Lamesa, fiaraha-misakafo, korana no ho endriky ny fihaonantsika. Mbola homena antsika ny antsipirihany momba izany ho fanampim-baovao.
Mirary herinandro sambatra ho antsika,
P. Pascal, sj