ALAHADY 22/06/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Nicolas no nitarika ny sorona masina ny alahady 22 jiona 2025 teo, nankalazantsika ny Vatana aman-dRà masin’i Kristy. Niaraka nanolotra ny sorona masina ihany koa ry môpera Barnabé, Fulgence, Mamy, Pascal. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Prezidà Silvestro kosa no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.

Taorian’ny sorona masina tamin’io alahady 22 jiona 2025 io dia nandio sy nandravaka ny fiangonantsika ny “Ekipa sôlida”, ka isaorana izy ireo. Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” indray no mitady fotoana handiovana ny fiangonantsika ho an’ny volana jolay 2025.

Fampahatsiahivana : Aza hadino ny fanasana antsika, izay efa nolazaina sy nampitaina tamin’ny whatsApp Rasoamanarivo, amin’ny voady farany hataon’i Zo Andry Malala Rakotosamimanana (Famiglia dei Discepoli) amin’ny 4 jolay 2025.

Mgr Donatien, evekan’Ambanja, no hitarika ny sorona masina ao amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin’ny alahady 29 jiona 2025 izao. Toy ny mahazatra dia amin’ny 9:45 ny fanombohan’ny sorona masina. Ny “Fraternità” no hanomana sy hanentana ny litorjia. Amin’io fotoana io dia hisy ny fanaovam-belona olona sasany izay hitodi-doha any Madagasikara ; hisy famangiana mana-manjò ihany koa. Aorian’ny lamesa dia hizara roa ny fotoana : hiaraka amin’ny sakafo maivana sy fialana hetaheta isika rehetra ; aorian’izany dia hisy ny fihaonana manokana hataon’ireo “Zanaky ny Diosezin’Ambanja” miaraka amin’i Mgr Donatien ao am-piangonana ihany.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra.

P. Pascal, sj