Miarahaba antsika rehetra !
Nofaranantsika ny taom-pikatrohana 2024-2025 ny alahady 27 jolay 2025 teo. Tany amin’ny Parrocchia San Pio V (Largo san Pio V, 3, 00165 – Roma) no nanaovana izany. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. José sy P. Marc. Ny ELVIR kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia. Prezidà Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
Taorian’ny sorona masina dia nihazo ny “Parco Villa Carpegna” izay tsy lavitra avy eo amin’ny paroasy. Notohizana tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny fialam-boly samihafa ny fotoana.
Tsy misy lamesa malagasy iarahana eny amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino mandritra ny volana aogositra 2025. Miverina eny an-toerana indray isika ny alahady 7 septambra 2025. Manomboka ny taom-pikatrohana vaovao 2025-2026 isika amin’io andro io. Manomboka amin’ny 9:45 ny sorona masina. Ary anjaran’ny “Ekipa sôlida” ny manomana sy manentana ny litorjia amin’io alahady io. Eto dia ampahafantarina antsika fa ho isan’ny gropy mpandray anjara amin’ny litorjia koa ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (Z.D.A.) manomboka amin’ny septambra 2025.
Momba ny litorjia : ny mahazatra antsika dia eny ambony amin’ny faritry ny alitara daholo ireo olon’ny ekipa mpanomana ny litorjia, na ny mpanentana izany, na ny mpamaky, na ihany koa ireo mpihira. Hasiantsika fandaminana izany amin’ny septambra 2025. Ny mpanentana sy ireo mpamaky ihany no eny amin’ny faritry ny alitara. Ny sisa kosa, miaraka amin’ny “micro”, mitsangana sy mipetraka eny ambany amin’ireo fipetrahana voalohany. Ny gropy tsirairay dia tompon’andraikitra voalohany amin’ny litorjiany, fa vao maika manatsara zavatra koa ny fiaraha-miasa raha toa ka misy gropy hafa iantefan’ny fangatahana hanatevin-daharana ny mpihira.
Misy daty tsara ho fantantsika dieny izao : ny 4-5 ôktôbra 2025 no fankalazantsika ny “jôbilin’ny mpifindra monina” ; 19 ôktôbra 2025 no hankalazantsika ny fetin’ny Ankohonana ary 16 nôvambra 2025 no hanaovantsika ny vokatra.
Mirary soa antsika rehetra.
P. Pascal, sj