ALAHADY 07/09/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Nanomboka ny taom-pikatrohana vaovao 2025/2026 isika ny alahady 7 septambra 2025 teo. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i P. Fulgence sy P. Thierry. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Silvestro sy Hervé no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy ny fiarahana niala hetaheta nanamarihana ny fanombohan’ny taom-pikatrohana vaovao.

Anjaran’ny “Zanaky ny Diosezin’Ambanja” indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 14 septambra 2025, fankalazana ny Fanandratana ny Hazofijaliana.

Maneho ny fisaorana antsika tamin’ny fanotronana na fitondrana am-bavaka an’izy ireo ny relijiozy nanao voady tato ho ato, na ihany koa ireo nandray ny fahasoavana tamin’ny alalan’ny fanamasinana ho diakra na ho pretra. Maromaro izy ireo ary harabaintsika eto. Mety mbola maromaro moa ato ho ato fa hampahatsiahivintsika eo ihany rehefa manakaiky ireo daty, mba hiombonantsika vavaka amin’izy ireo.

Manomana ny «Giubileo dei migranti et Giubileo del Mondo Missionario” izay hatao ny 4 sy 5 ôktôbra 2025 isika. Eo am-pikarakarana ny fisoratana anarana izao ka aza misalasala ny mandefa ny anaranareo aty amin’ny aumônier. Alefanareo “message” amin’ny laharana “phone”, izay laharana mitovy ihany amin’ny whatsApp. Amin’ny zoma tolakandro (12/09) ka hatramin’ny alahady tolakandro (14/09) dia asehoko ao amin’ny whatsApp n’ny Ankohonana ny lisitry ny anarana mba hahafahanareo manamarina. Ny alatsinainy 15/09/2025 vao maraina kosa dia mandefa ny lisitra voamarina sy voatsara ny aumônier.

Mirary soa ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj