ALAHADY 12/10/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Pascal no nitarika ny sorona masina ny alahady 12 ôktôbra 2025 teo ; Francel no nanao ny raharahan’ny mpiservy. Ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA) kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. 

Misaotra ny ELVIR nanatontosa ny fandiovana ny fiangonantsika tamin’ity volana ôktôbra ity ; anjaran’ny “Fraternità” indray no mitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fandiovana ho an’ny volana nôvambra 2025.

Anjaran’ny ELVIR ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia amin’ny alahady 26 ôktôbra 2025.

Fampahatsiahivana sy fanamafisana momba ny fetin’ny Ankohonana :

Hankalaza ny fetin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo isika amin’ny alahady 19 ôktôbra 2025. Ao amin’ny “Chiesa Parrocchiale della Nostra Signora de La Salette – Piazza Madonna della Salette, 1, 00152 Roma” ny toerana hanaovantsika izany. 

Ankoatr’ireo fanomanana hataon’ny Ankohonana, dia entanina ihany koa ny vondrona na fikambanana tsirairay hanomana sakafo : ZDA manomana sakafo gasy (sambôsa, godrogodro….) ; ny M.D.M.K. manomana entrée sy salady ; ny Ekipa sôlida manomana hena ; hena ihany koa no karakarain’ny “Fraternità” ; ny ELVIR mitondra légumes ; ny pretra sy relijiozy mivimbina voankazo sy zava-pisotro. Ireo izay tsy ao anatin’ireo fikambanana voatonona ireo dia entanina ihany koa mba hivimbina zavatra hifampizarantsika.

Ny litorjia amin’io andro io dia ny M.D.M.K. no tompon’andraikitra ; misy kosa ireo hira handihizana : voninahitra (M.D.M.K. sy ELVIR), fanolorana (Ekipa sôlida sy relijiozy), fisaorana (ZDA sy Fraternità).

Amin’ny 9:00 maraina no fahatongavantsika any an-toerana ; amin’ny 10:15 ny lamesa, arahin’ny sakafo sy koranam-pety ; amin’ny 5 ora hariva isika mandamina ny toerana ary mamarana ny fety.

Asaina izay afaka mba hifarimbona amin’ny fanomanana sy fanaingoana ny toerana hanaovam-pety amin’ny sabotsy izao (18/10/2025) manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal, s.j.