Miarahaba antsika rehetra !
Tontosa ny fankalazantsika ny fetin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo ny alahady 19 ôktôbra 2025 teo. Sorona masina no nanombohana ny fankalazana, izay notarihin’i P. Faly, notronin’ireo pretra maro tonga tany an-toerana. Ny M.D.M.K. no nandrindra ny fanatanterahana ny litorjia. Navitrika ny vondrona tsirairay tamin’ny fanaovana ny fihetsika na dihy nandritra ny sorona masina. P. Joslin, Mr Silvestro, Mr Herve ary Mme Odile no teo amin’ny fitendrena zavamaneno.
Niroso tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny korana taorian’ny sorona masina. Eto dia mamerina ny fisaorana antsika rehetra tamin’ny fiarahana nisalahy tamin’ny fanantanterahana iny fety iny. Hararaotina eto sahady koa ny fanomana antsika hiatrika ny fanaovana “vokatra” amin’ny alahady 16 novambra 2025.
Anjaran’ny ELVIR no manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 26 ôktôbra 2025 izao. Amin’io alahady io moa dia hisy sorona masina karakarain’ny ZDA ho an’ny Tompokovavy Masera Cécile Naba any Aprilia ka miombom-bavaka amin’izy ireo isika.
Efa nampitaina tamintsika ny fahalasan’i Sr Raymonde, CIM, izay efa niasa teto Roma. Hisy lamesa ho azy any amin’ny Collegio sloveno, via Appia Nuova 884, ny alarobia 22 ôktôbra amin’ny 16:30 (izany hoe androany). Anasana antsika izay afaka ho any an-toerana ary ny rehetra hiombom-bavaka.
Mirary herinandro sambatra ho antsika !
P. Pascal, sj.