ALAHADY 07/12/2025

Miarahaba antsika rehetra !

P. Eugène no nitarika ny sorona masina ny 7 desambra teo, alahady faharoa amin’ny Fiaviana, niaraka tamin’i P. Pascal. Ny Zanaky ny Diosezin’Ambanja (ZDA) no nanomana sy nanentana ny litorjia ka i Mr Silvestro no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. 

Amin’ny alahady 14 desambra izao kosa dia anjaran’ny Fiombonan’ny Pretra sy Relijiozy no manomana sy manentana ny litorjia. Anjaran’ny ZDA ny mitady fotoana hanaovan’izy ireo ny fanadiovana ny fiangonantsika, san Macuto-Bellarmino, ho an’ity volana desambra ity.

Averina sy ampahatsiahivina hatrany ireo datin’ny 14 sy 28 desambra :

Amin’ny alahady 14 desambra dia hanao “récollection” ao amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino isika. P. Jean Chris no hitarika izany. Atombotsika amin’ny sorona masina amin’ny 9:45, dia tohizana amin’ny fampianarana na fifampizaran’ny pretra mitarika. Vita izay dia sakafo (samy mivimbina sakafo ary mandamina sy mandio avy eo). Asiana fiarahana manao rôzery aorianan’ny sakafo. Amin’ny 3 ora tolakandro dia hanao “fifampizarana” isika (tenin’And/tra, andra-piainana, fiomanana amin’ny noely, finoana…) ary faranana amin’ny 4.

Hamafisina hatrany ny hetsika noely hataontsika amin’ny alahady 28 desambra izao ; any amin’ny Collegio San Pietro, Viale delle Mura Aurelie, 4, 00152, no hanaovana izany. Tiana hohamafisina eto ny filazana ny fandraisana anjara. Hahatsara kokoa ny fandaminana sy fikajiana ny fotoana ny hahalalana mialoha ny fandraisantsika anjara. Aza misalasala ny mampahafantatra olona iray ao amin’ny Birao ny fandraisanao na fandraisanareo anjara.

Mirary  soa ho antsika rehetra.

 

P. Pascal, sj.