Alahady 02/04/2023

Isaorana i Môpera Romuald (Meme) nitarika ny sorona masina ny 2 avrily 2023, alahadin'ny sampankazo, notronin'ny pretra isany Faly sy Joslin. Misaotra ny vondrona Saint Augustin izay nanentana ny litorjia ; nampidera an'And/tra manokana ny dihy tamin'ny hira fisaorana. Ankasitrahina manokana koa ireo izay nandray anjara manokana toy ny mpiservy (Seba, Francel), ny mpitendry (P. Joslin), ny mpitaty rakitra. Tsy hadino ihany koa ireo nandravaka sy nikarakara ny otely sy ny fiangonantsika. Misaotra antsika rehetra•

Ao anatin'ny herinandro masina isika izao. Koa entanina isika rehetra mba hankalaza ny alakamisy masina, zoma masina ary sabotsy masina. Araka ny efa nampitaina teto dia ao amin'ny Chiesa San Macuto ihany no hanaovantsika an 'izany, manomboka amin'ny 18:30 avy. Efa voalaza tamintsika ny fizarana andraikitra isan-karazany. Aza hadino ny mitondra labozia amin'ny sabotsy masina, toy izany koa mety misy mila rano voahasina amin'ny Paka ka tsara raha mitondra zavatra hasiana azy.

Amin'ny alahady 9 avrily 2023 dia hiandraiketan'ny Pretra/Relijiozy ny fanomanana sy fanentanana ny litorjian'ny Paka. Tongava maro isika mba hiara-hankalaza ny Paka, ary hiara-hirehareha amin'ny fandresen'i Kristy ny fahafatesana.

Aza hadino koa fa io andron 'ny Paka io no nifanomezantsika ho daty farany handefasana any amin'ny aumônier ny anaran'ireo solontena roa isaky ny fikambanana ho fandrafetana ny Consiglio pastorale.

Amin'ny Lundi de Pâques, 10 avrily 2023, dia hanao fitsangatsanganana any amin'ny Via Osteria di Dragoncello 12 isika (mandray train eo amin'ny Porta san Paolo, Piramide, dia midina ao amin'ny fermata Acilia, avy eo ndray mandray bus n°12 dia midina amin'ny fermata Osteria di Dragoncello Chiesa). Holazalazaina amintsika ny antsipirihany amin'ny alahady Paka.

Fampahatsiahivana : Amin'ny talata 11 avrily 2023 izao, amin'ny 4 ora tolakandro ao amin'ny Chiesa del Gesù Roma, no hanamasinana ho Diakra an'i Frera Simon Rabemaharavo. Manasa antsika rehetra noho izany izy.

Hirotsaka amintsika  hatrany anie ny tsodranon'Andriamanitra

P. Pascal sj